Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fiaraha-miasa vaovao ho fiarovana amin’ny loza an-dranomasina

Book News 0

Last updated on novembre 28, 2017

“Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fitaterana an-dranomasina. Sehatra izay azo trandrahana tsara eto Madagasikara. Antoka hatratrarana ny fampandrosoana ny fifehezana ny loza mety hiseho eny an-dranomasina.”

Loza an-dranomasina
Hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny CFIM sy ny Fanjakana malagasy ho fiarovana amin’ireo loza mety hiseho an-dranomasina.
Cc: Meteo Malagasy

Fampandrosoana sy fampiofanana

Varavarana misokatra amin’ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena isan-karazany ny fitaterana an-dranomasina. Anisan’ny firenena misitraka izany I Madagasikara. Ny zoma 27 oktobra teo, nisy ny fizarana vaovao mahakasika ity fitaterana andranomasina ity teo amin’ny CFIM (Centre de fusion des informations maritimes) na ivon-toerana misahana ny vaovao momba ny fitaterana an-dranomasina, sy ny sampandraharaha isan’ambaratongany. Vita tamin’izany ny Sonia fifanaraham-piaramiasa teo amin’ny Tale jeneralin’ny CFIM sy ny sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny primatiora. Araka ny voalazan’ny fanamabarana ho an’ny mpanao gazety, ny fifehezana ny loza mety hiseho eny ambony ranomasina no antoka hatratrarana ny fampandrosoana. Manoloana izany, misy fiaraha-miasa isam-paritra izay ataon’ny CRFIM sy ny CRIMARIO  na ny Critial Maritime Routes Indian Ocean. Nisy araka izany ny fanofanana izay natolotr’izy ireo hoan’ ny mpandray anjara, izay miisa 25 teto Madagasikara sy Comore. Nofaranana tao amin’ny Carlton Anosy ity fiofanana ity, izay nifantoka tamin’ny fandalinana ny tombontsoa azo eny an-dranomasina,  mifandray indrindra amin’ny fampivoarana hapetraky ny CFIM. Noho ity fiarahamiasa ity, afaka manavao ny fifanakalozana vaovao mahakasika ny fitanterana an-dranomasina eo amin’ny ambaratonga isan-tokony ary afaka manangona  sy manadihady lavitra ny momban’I Madagasikara ny CFIM.

Tombony lehibe ho an’i Madagasikara ny fahafahana misokatra amin’ny firenena isan-karazany. Mampivoatra sy mampivelatra ny toe-karena rahateo  ny fifanakalozana misy. Zava-dehibe araka izany fitandroana ny filaminana sy ny fifehezana ny loza an-dranomasina.

Ony Ranaivoson

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.