Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy – Hampiantrano ny fivoriamben’ny Copres i Madagasikara

Book News 0

Hampiantrano ny fivoriamben’ny Copres i Madagasikara.

Fivoriambe momba ny fiahiana ara-tsosialy

Hampiantrano ny fivoriamben’ny COPRES (Conférence Interafricaine de la Prévoyance Sociale) i Madagasikara ny 10 ka hatramin’ny 11 desambra 2019 izao. Fivoriambe izay handraisan’ireo teknisianina ambony anjara

Hisy ny fampahafantarana momba ny fitantanana ny fiahiana ara-tsosialy hamaritana sy hametrahana ny tanjona vaovao hiarahana manatratra mandritra io fotoana io. Fantatra izany nandritra ny fifamindrana andraikitra teo amin’ny Tale jeneraly mpisolo toerana, Tsaboto Joslina izay nitantana vonjimaika nandritry ny valo volana, sy ny Tale jeneraly vaovao, Mamy Rakotondraibe, teny amin’ny foiben’ny Tahirim-pirenena ho an’ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS).

Fanamby vaovao ho an’ny CNaPS

Nametraka fanamby ny Tale jeneraly vaovao fa hanohy ny ezaka efa vitan’ny teo aloha ary ihany koa hanarina izay mety ho lesoka. Fantatra fa latsaky ny 15%-n’ny mponina manerana ny Nosy no misitraka ny fiahiana ara-tsosialy avy amin’ny CNaPS.

Tanjona hiaraha-manatanteraka amin’ny mpiasan’ny CNaPS ny hampiakatra izany ho avo roa na telo heny, izay ao anatin’ny fiaraha-misalahy tanteraka. Efa nitazona toerana ambony tamina orinasa goavana toy ny DHL Madagascar ny Tale jeneraly vaovao, niasa tamina orinasa nanana tendro eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 

Anisan’ny vina lehibe napetrany ny hampandroso ny CNaPS sy hahatonga azy ho maoderina sy mahomby, mifanaraka amin’ny filan’ny mponina sy ny zava-misy eto amintsika. Nanome voninahitra ny lanonana moa ny minisitry ny asa sy ny lalàna sosialy Gisèle Ramampy. Notateriny fa 428.798 ireo mpiasa tafiditra CNaPS, sy misitraka ny fiahiana ara-tsosialy amin’izao fotoana.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.