Notsarovana manokana i Gisèle Rabesahala nandritra ny Fetin’ny Vehivavy Afrikana Tatsimo, ny 9 aogositra lasa teo.
Notsarovana manokana i Gisèle Rabesahala
« Anisan’ny niady tamin’ny fanafahana an’i Nelson Mandela i Gisèle Rabesahala« , hoy ny Masoivohon’i Afrika Atsimo, Maud Dlomo.
« Nanao fanambarana ny Unesco ny volana Novambra 2013 fa Vehivavy manamarika ny tantaran’ny Afrika i Gisèle Rabesahala ary nikatsaka ny fanajana ny zon’olombelona », hoy ny fianakaviany.
Efa nitana andraikitra maro teto amin’ny firenena i Gisele Rabesahala na teo amin’ny sehatra politika na sehatra sosialy na serasera. Efa minisitry ny Kolontsaina ihany koa izy. Nindaosin’ny fahafatesana izy ny 27 Jona 2011 rehefa nivahiny 82 taona teto an-tany. Noho ireo sehatra nolalovan’ity maherifon’ny Firenena ity no antony nisafidianana azy manokana nandritra ny Fetin’ny Vehivavy Afrikana Tatsimo.
Andron’ny Vehivavy

Raha tsiahivina dia ny 9 Aogositra teo no nankalazaina ity andro manan-tantara ho an’ny Afrika Atsimo ity. Daty ahatsiarovana ny tolona nataon’ny vehivavy ny 9 Aogositra 1956. Nisy ny tolona nataon’ny Federasionan’ny vehivavy teo anoloan’ny Lapan’ny Governemanta tao Pretoria tamin’io fotoana io ho fanoherana ny lalàna manery ny vehivavy « tsy fotsy » hitondra antontan-taratasy nahazoana alalana amin’ireo toerana natokana ho an’ny vehivavy fotsy. Nahatratra 20 000 ireo vehivavy nanangon-tsonia tamin’io fotoana io. Ankehitriny dia natao hiadiana amin’ny fanavakavam-bolon-koditra, hitakiana ny fahafahana sy ny fanajana ny zon’ny vehivavy io andro io.
Toria Dimbiniaina