Last updated on juillet 15, 2019
English version avalaible on https://booknews.today/independence-day-malagasy/
Ny vaninandro fety dia fotoana ahafahan’ny olona tsirairay mahazo tombony amin’ny alalan’ny fitadiavam-bola, fialana voly, fihinanana, fihaonana amin’ny fianakaviana sy ny maro samihafa.
Mandritra ny fety dia mandany vola isika ary mazana aza dia misy teti-bola natokana ho an’ny fety fotsiny. Kanefa iza no omena tombontsoa amin’ny fandaniana rehetra? Mba misy fiantraikany amin’ny toekarentsika ve ny fandaniana rehefa andro fety?
Amin’ny fotoana fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena toy izao, mividy kilalao maromaro ho an’ny ankizy isika, mitondra azy ireo milalao, mividy ny « arendrina » ary ihany koa manao fisakafoanam-be. Azo inoana fa dia vola be no lany amin’izany.

Ny mahagaga anefa dia na amin’ny fotoana izay fetim- pirenentsika aza dia entana vahiny no jifain’ny maro ary ny ari-karena vahiny no atevenina.
Te-hanentana ny rehetra ny tenako hoe raha tsy maintsy handany vola ihany, dia andao hiara-hientana mba ho tena Malagasy. Ndeha isika hividy ireo vokatra vokarin’ireo mpiray tanindrazana amintsika.
Aleo mba “arendrina” tena vita malagasy no hoentina. Amin’izay rehefa mihira isika hoe “Arendrina taratasy o! May! May! May!” dia tena « arendrina » vita avy amin’ny taratasy tokoa no eny an-tanana, fa tsy fantsona mirehidrehitra vita vahiny. Raha milaza ianao fa tsy dia misy endrika isan-karazany sy miavaka ireo « arendrina » malagasy dia diso izany. Afaka mahita modely samihafa isika amin’ny loko maro isafidianana eny an-tsena.
Ndeha ihany koa hiaraka hampiseho ireo zanantsika ny toerana manan-tantara sy hampianatra azy ireo ny karazan-dalao nentim-paharazana. Vitsy ny ankizy no mahafantatra ny fomba filalaovana « Fanorona » na « Katro » amin’izao fotoana izao, fa ny hafa moa tsy mahalala akory ny dikan’ireo anarana ireo.
Mandritra ny fety, aoka isika hikarakara sakafo tena malagasy. Manasa ny rehetra hividy vorontsiloza sy akoho,… amidin’ny mpiompy Malagasy e! 😉
Ary rehefa mividy vokatra vitan’ny orinasa avo lenta avy any ivelany ianao, dia manampy ny mpitantana vahiny iray hividy fiaramanidina vaovao, hanomana ny fitsangatsanganany manaraka.
Tsanta Chichi TTS