Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

FEPA 2019 – Hanome lanja ny vokatry ny tantsaha malagasy

Book News 0

Last updated on mai 1, 2019

Hotanterahina ny volana Mey izao ny Tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena. Ireo vokatry ny tantsaha malagasy no tena homena lanja amin’izany.

Fanomezan-danja ny vokatry ny tantsaha malagasy

« Ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena dia fototry ny fampandrosoana maharitra eto Madagasikara”. Io no lohahevitra entin’ny FEPA andiany faha 11 na ny tsenaben’ny fiompiana sy ny jono ary fambolena izay atao eny amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka ny faha 30 May, 31 May, 01 Jona, 02 Jona 2019.

Ny MPE (Malagasy Professionnel d’Elevage), izay miaraka amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana no mikarakara ity tsenabe ity.

Miisa 200 ny mpandray anjara mandritra io fotoana io, izay ahitana ny mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny ny fiompiana sy ny jono ary ny fambolena.

Miisa 30 000 kosa ireo olona andrasana hitsidika ny tsenabe. Asongadina mandritra io efatra (4) andro ny fafamenoana eo amin’ireo seham-pihariana fambolena sy jono ary ny fambolena. Ireto farany izay fototra ahafahan’ny toekarana malagasy mandeha lavitra.

Tanjon’ity hetsika ity ny fampifandraisana ny tolotra sy ny tinady. Eo ihany koa ny famporisihana ny olona hanjifa ny vokatry ny fambolena sy ny fiompiana Malagasy sy ny fampahafantarana ny tontolon’ny fambolena sy ny jono ary fiompiana Malagasy.

Hisy araka izany ny famelabelaran-kevitra arahina adi-hevitra mandritra io fotoana io. Maro ny voka-tsoa azo nandritra izay tsena be ny fiompiana sy jono nisy hatramin’izay toa ny fitomboan’ny isan’ny olona misehatra amin’ny tontolo ambanivohitra. Eo ihany koa ny fitomboan’ny fanaraham-penitra eo amin’ny sehatry famokarana.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.