Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Feno 25 taona ny hetsika "Manala azy vita bacc"

Tiasoa 0

Last updated on septembre 5, 2017

Efa mahazatra sy fanao isan-taona ny hetsika « Manala azy vita baka » miaraka amin’i Olombelo Ricky. Ankehitriny, 25 taona izao no nisiany ary mbola mahasarika tanora maro hatrany.

25 taona “Manala azy vita bacc”

Feno 25 taona ny hetsika “Manala azy vita bacc” izay fanaon’ny mpanakanto Malagasy Olombelo Ricky. Eny Antsahamanitra ny faha 27 ny volana Jolay izao ny fotoana amin’ity andiany faha 25 taona ity. Ny Ivenco sy ny Vazimba Production no mikarakara ny hetsika.
Toy ny isan-taona, hanasa mpanakanto matihana sy kalaza maro hanafana ny hetsika i Olombelo Ricky amin’io fotoana io. Anisan’izany i Dina Voakaly, Liva Andrianavalona ary The Women. Hiavaka ny fampisehoana amin’ity indray mitoraka ity noho izao fankalazana ny faha 25 taona izao, raha ny fanazavana nentin’i Olombelo Ricky. Efa mahazatra sy fanao isan-taona ny hetsika « Manala azy vita bacc » miaraka amin’i Olombelo Ricky. Tany amin’ny taona 90 no efa nanomboka nanao ity fampisehoana ity izy. Ankehitriny, 25 taona izao no nisiany ary mbola mahasarika tanora maro hatrany. Araka ny anarany « Manala azy » dia tena fanalan’azy sy fahafinaretana no natolotr’i Olombelo Ricky nandritra izay 25 taona izay.

Haritiana R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

%d blogueurs aiment cette page :