Last updated on septembre 17, 2018
Azon’olon-drehetra atao ny miompy noho ny fahampian’ny orinasa Farmshop.
Fampiofanana omen’ny Farmshop ho an’ny mpiompy
Manampy ny mpiompy sy ny olona manana tetikasa momban’ny fiompiana ny orinasa Farmshop. Endrika isehoan’ny fiarahamiasa ataony amin’ny mpiompy ny fanomezana fiofanana maimaimpoana. Omen’izy ireo avokoa ny fiofanana momban’ny fiompiana akoho fakana nofo, fiompiana akoho manatody lava, fiompiana kosoa, fiompiana omby vavy be ronono. Ankoatra ny efa mpiompy, manampy ireo manana tetikasa na maniry ny te ho mpiompy ny Farmshop.[amazon_link asins=’B01HT9ITY8,B077VB6M45,B06XSFP2MR,B076F926P7,B0743F5PHC’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’14cd7b53-b9b5-11e8-8841-056cd9a4417b’]
Azon’izy ireo atao ihany koa ny manome torohevitra amin’ny fananganana trano, torohevitra amin’ny fitantana ary torohevitra amin’ny fampiasam-bola.
Tsara ny manamarika fa efa miparitaka manerana ny Nosy ny Farmshop.