Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Faritra arovana – Vola mitentina 7 miliara Ariary mahery no atolotry ny FAPBM

Book News 0

Last updated on janvier 9, 2020

Mitentina 7 780 411 731 Ariary no famatsiam-bola omen’ny FAPBM ireo faritra arovana miisa 35 eto Madagasikara ny taona 2020.

Famatsiambola avy amin’ny FAPBM

Notanterahina ny zoma lasa teo ny fanaovan-tsonia teo amin’ny FAPBM sy ny mpitantana ny faritra arovana. cc : Toria Dimbiniaina

Tontosa ny zoma 13 fesambra teo teny Antaninarenina ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny FAPBM (Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar) sy ireo mpitantana ny faritra arovana. 

Handoavana ny karaman’ny mpiasa, hividianana ilaina amin’ny fiarovana ny faritra sy ny maro hafa io famatsiam-bola io.

Mitentina 7 780 411 731 Ariary io famatsiam-bola omen’ny FAPBM io, ary faritra arovana miisa 35 eto Madagasikara no voakasik’izany, ny taona 2020. Betsaka ny vokatra tao anatin’izay 14 taona izay nanampian’ny Fondation FAPBM ireo faritra arovana eto Madagasikara izay.

Nilaza ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny FAPBM, Rajoelina Sahondra fa « raha jerena ny doro tanety, amina hektara maro no may, fa rehefa misy ny faritra arovana dia voaaro sy voafehin’ny mpitantana ny faritra arovana sy ny mponina eny ifotony.”


Nanazava kosa ny Tale Mpanatanteraky ny FAPBM, Raharijaona Liva fa « raha tsy misy ny faritra arovana dia efa tsy nisy intsony ny gidro, tanalà, sokatra, zava-maniry, indrindra ireo tsy hita afa tsy eto amintsika ».

Araka ny fantatra dia famatsiam-bola maharitra ity fanampiana ataon’ny fondation FAPBM ity. Ny zana-bola avy amin’ny renivola apetraka no entin’ny FAPBM hanampiana ireo faritra arovana. Mitenena 75 tapitrisa dolara io renivola io amin’izao.

Marihina fa anisan’ny mpiaramiasa amin’ny FAPBM izay manana petrabola ny Governemanta Frantsay sy Alemana ary ny Banky Iraisam-pirenena.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.