Last updated on novembre 26, 2018

cc: Toria Dimbiniaina
Fokontany maro eto Antananarivo no nitondran’ny FTMF na ny Fikambanan’ny Tanora Mandala ny Fahamarinana fanentanana momban’ny fifidianana, toa an’i Tetezana Afovoany, Andavamamba, Anosibe izay nentanin’izy ireo omaly.
Olom-pirenena maherin’ny 1000 no nentanin’izy ireo nandritra ny telo andro niasana.
Somary sarotra ny fanentana teny ampiandohana satria maro ireo tsy mahazo resaka. Niova kosa anefa izany taorian’ny fanazavana azon’izy ireo.
Anisan’ny antony mahatonga ny olona ho kamo hifidy ny fahakiviana ateraky ny mpanao politika. Noho izany, ilaina ny fanentanana toa izao mba hanazana ny sain’ny olona, hampirisihana azy hifidy. Natao ihany koa izao mba ahatonga ny olompirenena ahay hifidy, tsy ho voavidim-bola mandritra ny fifidianana.
Marihina fa misy ny fiarahamiasa eo amin’ny tetikasa Fanoa (Fifidianana Andraisan’ny Olompirenenana Anjara) sy ny FTMF mandritra izao fanentanana hifidy izao.