
Cc: Meteo Madagasikara
Nanatanteraka atrikasa lehibe ho fametrahana tetikady entina manatsara ny voka-bary any amin’ny faritra Alaotra ny Meteo Madagasikara, niaraka tamin’ny tetikasa AF-Rice sy ny ministera misahana ny Fambolena sy ny fiompiana. Ny 23 sy 24 oktobra lasa teo no nanatanterahina io atrikasa io. Nandritra izany dia nahazo fampiofanana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy isam-paritra, ka manam-pahaizana avy teo anivon’ny Meteo Madagasikara sy ny Birao nasionaly mpandrindra ny fiovan’ny toetr’andro (BNCC) no mpampiofana. Araka ny vaovao voaray, zavatra telo no navohitra nandritra ny atrikasa: fanamafisana ny fahalalana momba ny fambolena, fametrahana ho loharanom-baovau ny antontan-kevitra aroson’ny Meteo Madagasikara, fametrahana drafitra isam-paritra izay hofaritana ary hatao isan-taona manolona ny fambolem-bary.