Last updated on avril 26, 2018
Version française valable sur https://www.booknewsmada.com/https://www.booknewsmada.com/acces-eau-potable/
RANO FISOTRO MADIO. Nomarihana androany ny fanombohan’ny tetikasa Wada (Water and Development Alliance). Tetikasa entina hanatsaràna ny fahazoana rano madio sy ny fidiovana ho an’ny olona aman’arivony amin’ny toerana telo lehibe eto Madagasikara.
Mitentina 5.3 tapitrisa dolara ny tetikasa. Ny mponin’Antananarivo, Mahajanga su Toliara no hisitraka izany. Ny USAID sy ny The Coca Cola Foundation / Company (TCCF / C) no mpiara-miombon’antoka amin’izany. Ny Water & Sanitation for the Urban Poor (WSUP) no hisahana ny fanatanterahana azy.

Ny tanjona dia ny hafahan’ny rehetra mahazo ny tombotson’ny tetikasa WASH hatramin’ny taona 2025, sy hanafoanana ny fanaovana maloto ankalamanjana amin’ity taona 2018 ity.