Last updated on novembre 7, 2018
Ao anatin’ny tetik’asa « Olompirenena ho tompon’antoka tanteraka amin’ny fandraisan’andraikitra manoloana ny fifidianana ho avy », dia nanatontosa fanangonan-kevitra » FAMAH ? : FAmpandrosoana an’i Madagasikara, Ahoana ny Hevitra? » momba ireo laharam-pahamehana ho fampandrosoana an’i Madagasikara ny KMF/CNOE.
FAMAH
Manoloana ny fifidianana Filohan’ny Repoblika izay hatrehan’ny olompirenena Malagasy amin’ity taona ity, dia nanatontosa fanangonan-kevitra antsoina hoe « FAMAH : FAmpandrosoana an’i Madagasikara, Ahoana ny Hevitra? momba ireo laharam-pahamehana ho fampandrosoana an’i Madagasikara » ny KMF/CNOE.
Ny fanangonan-kevitra dia notanterahina manerana ireo distrika miisa 119 manerana ny Nosy tamin’ny alalan’ny fanadihadina isam-baravarana sy ny fametrahana boatin-kevitra teo anivon’ireo Tanana miisa 1767 tamin’ireo fokontany 880 tao anatin’ny Kaominina miisa 273. Nialoha ny fanangonan-kevitra dia nisy fampahafantarana sy fanentanana ny olompirenena momba ireo andraikitry ny Filohan’ny Repoblika.[amazon_link asins=’B071771VPS,B07BNTSJHD,B00LWZFUU2,B073QVBGMS’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’a4b2afe0-c984-11e8-87d1-ebafef25840e’]
Ny tanjon’ny hetsika « FAMAH ? » dia natao hanairana ny hambon’ireo olompirenena ny amin’ny maha zava-dehibe ny fifidianana Filohan’ny Repoblika sy ny fanehoana safidy tompon’andraikitra.
Ny hetsika « FAMAH ? » koa dia tolo-tanana avy amin’ny KMF/CNOE- Fanabeazana olompirenena ho an’ireo mpirotsaka hofidiana ho Filohan’ny Repoblika izay mikatsaka ny fampandrosoana miainga eny ifotony ahafantarany ny marary ny olompirenena any ambany ravinkazo any.

cc: Pixabay
Nosokajiana ho 63 ny isan’ny hevitra voangona. Olompirenena miisa 35550 no nandray anjara ka 35 hatramin’ny 60 taona monina amin’ny tontolo ambanivohitra ny maro amin’izany. Nisongadina ary fa ny fandriam-pahalemana, ny fanamboarana sy fanavaozana ny lalana ary ny fafoanana ny kolikoly no tena nibahana tamin’ireo laharam-pahamehana avy amin’ireo olompirenena teny ifotony.