« Mahatratra 90% ny olana voaray dia mahakasika ny ady tany avokoa », hoy i Aina Razafimamonjy, Tale jeneraly ao amin’ny Miralanja. Napetraka noho izany ny tetikasa Arofan.
Tetikasa Arofan
Nahazo vahana amin’izao ny ady tany eto Madagasikara. Ny antony dia tsy misoratra ara-dalàna amin’ny tompony ny tany. Eo ihany koa ny tsy fahafantarana ny torolalana tokony ho atao rehefa hanoratra ny tany.

Mba hampihenana ny olan’ny fananan-tany eto Madagasikara dia napetraka ny tetikasa Arofan na ny Aron’ny Fananan-tany. Tetikasa izay hiarahan’ny fikambanana Miralanja sy ny Masoivoho Alemana miasa mandritra ny enim-bolana.
« Nandritra ny efatra taona nijoroanay izay, ny 90% ny olana raisinay dia ady tany avokoa. Misy ohatra ny tsindry azo lena izay ataon’ireo manambola amin’ireo tsy manana. Misy koa ny very tany satria tsy misoratra ara-dalàna ilay izy dia lasa misy ny olana eo amin’ny fananan-tany », hoy i Aina Razafimamonjy, Tale jeneraly Miralanja.
Ireo toerana be mponina indrindra ato anatin’ny Faritra Analamanga sy Vakinakaratra no hisitraka voalohany ny tetikasa Arofan.
Hisy araka izany ny fanentanana atao amin’ireo vahoaka mba hanoratra ny taniny ara-dalàna. Omena fiofanana momban’ny fananan-tany ihany koa ireo sefom-pokontany.
Toria Dimbiniaina