Simba tsy misy raisina intsony ny lalana mampitohy an’i Tolagnaro sy Toliara (RN13) ny mponin’ny Tolagnaro. Manoloana izany, mikaikaika ny mponina. Lasa voafetra avokoa na ny fivezivezena, na ny fidiram-bola,na ny fampiasana ireo foto-drafitr’asa ao an-toerana,toa ny seranan-tsambo lehiben’ny Ehoala.

Fahasahiranana sy fatiantoka

Mampitombo fahasahiranana ho an’ny mponina sy ho an’ireo mpamatsy vola sy mpandraharaha te hirotsaka hiasa any an-toerana ny faharatsian’ny lalam-pirenena RN13*, satria dia tsy azo andehanana intsony izy ity ankehitriny. Fiaramanidina ihany no tonga any an-toerana.

Miteraka fatiantoka ihany koa io fahasimban’ny lalana io satria na eo aza ny seranan-tsambon’ny Tolagnaro izay tsara indrindra eto Madagasikara ary manaraka  ny fenitra iraisam-pirenena, dia tsy misy mampiasa firy izany ankoatra ny orinasa ao an-toerana. Ratsy mantsy ny lalana ka tsy ahafahana mitatitra izay entana avy any amin’ny faritra hafa ivelan’ny Tolagnaro.

Tolagnaro

Zo Rabearivelo, Filohan’ny komitin’ny mpampiasa ny seranan-tsambo.
cc: Book News Madagascar

Tsara anefa ny mampahafantatra fa anisan’ny akaiky indrindra raha hitondra entana any amin’ireo nosy rahavavy manodidina ao amin’ny Ranomasimbe Indianina sy any Afrika Atsimo ny seranan-tsambon’ny Ehoala, ary hiteraka tombony lehibe ara-ekonomika izany ho an’ny firenena sy ny faritr’i Tolagnaro raha hain’ny Fanjakana ny mitrandraka azy araka ny tokony ho izy.

Seranan-tsambon’ny Ehoala: manara-penitra indrindra

Mirefy 15,75 metatra ny halalin’ny seranan-tsambon’ny Ehoala, Io no seranan-tsambo lalina indrindra eraky ny Ranomasimbe Indianina. Mirefy 275 metatra ny fandraisana sambo na ny “quai”.

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ISPS io seranan-tsambo io, araka ny fanazavan’ny Pilote Rakotoarimino Nirilanto Martial, mpanamory ao amin’ny seranan-tsambon’ny Ehoala. Fenitra izay napetraky ny OMI.

Tolagnaro

Manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ISPS
ny seranan-tsambon’ny Ehoala.
cc: Book News Madagascar

Miisa enina ireo vokatra aondran’i faritra Tolagnaro ahafahan’ny seranan-tsambon’ny Ehoala miaina ankehitriny: ny fasi-mainty, ny “sisal”, ny “mica”, ny hazan-dranomasina, ny kinana. Manana “hangar” andraisana ny vokatra “sisal” moa ny seranan-tsambo.

Ireo vokatra ireo dia mandeha any amin’ny firenena maro, fa indrindra ireo firenena asiatika toa an’i Durban sy Arabie-Saoudite.

Ny vary kosa no entana miditra be indrindra ao amin’ny seranan-tsambon’ny Ehoala, amin’ny salan’isa 70-75%.

Ny fasi-mainty no vokatra be indrindra, izay trandrahin’ny orinasal tsy miankina QMM nandritra ny 10 taona izay. Araka ny antontan’isa ofisialy avy amin’ny seranan-tsambo, niha-nitombo hatrany ny vokatra tao anatin’ireo taona nifandimby. Tamin’ny 2015 dia 177 000 taonina teo ho eo ny fasi-mainty naondrana. Tamin’ny 2016, nitombo ho 255 000 taonina izany. Tamin’ny 2017 kosa dia nitombo avo roa heny indray ny famokarana ka dia nahatratra 481 000 taonina. Ny volana septambra 2018 lasa teo moa dia fantatra fa 332 000 taonina ny fasi-mainty vokatra tao Tolagnaro.

« Mbola kely foana anefa izany raha ampitahana amin’ny antontan’isa napetrakny ny QMM izay tokony hamokatra hatramin’ny 750 000 taonina isan-taona”, hoy i Zo Rabearivelo, Filohan’ny komitin’ny mpampiasa ny seranan-tsambo.

Tiasy
*RN13 : Lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’ny Ihosy (faritra Ambovombe) amin’ny Taolagnaro (faritra Anosy)


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: