Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Sosialy – Mampiantrano fampirantiana momba ny haintany any Atsimo ny IFM Analakely

Book News 0

Last updated on janvier 9, 2020

Anjaran’ny IFM Analakely indray no mampiantrano ny hetsika « Road Show Photos », iarahan’ny Medair sy Pierrot Men. Fampirantiana sary izay mampiseho ny haintany any Atsimo.

Fampirantiana sary anehoana ny haintany any Atsimo

“Le buissement de l’eau”, izay no lohahevitry ny fampirantiana. cc : Toria Dimbiniaina

Taorian’ny fitetezana toerana maro nanomboka tamin’ny 29 Oktobra  teto Antananarivo, dia mampiantrano ny fampirantiana « Road Show Photos » nanomboka ny 28 Novambra ka hatramin’ny 18 Janoary 2020 izao ny IFM (Institut Français de Madagascar) Analakely. 

Fampirantiana sary izay mampiseho ny haintany any Atsimo, izay iarahan’ny Medair sy Pierrot Men.

Misokatra ho an’ny rehetra ireo fotoana ireo ary tsy misy ny vidim-pidirana. « Le buissement de l’eau », io kosa no lohahevitra tamin’ity. 

Sary manodidina ny 20 miampy fanazavana fohy ireo ampirantiana ireo ary entina ampisehoana ny zava-misy any Atsimo sy Avaratr’i Madagasikara mikasika ny rano izany. Mampiavaka ity fampirantiana ity ny anehoana amin’ny fomba artistika ny haintany any Atsimo raha mateti-pitranga any Avaratra kosa ny rivodoza sy ny tondra-drano. 

Misongadina ao anatin’ny sary ny tontolo iainana sy ny mponina any an-toerana. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny ONG Medair, Christelle Rakotomavo dia « hanairana ny sain’ny tsirairay ity hetsika ity mba ahafantaran’ny olona ny fiainan’ny mponina sy ny zava-mitranga any amin’ireo toerana voalaza ireo ».

Miisa 9 400 ireo misitraka ny tetikasan’ny ONG

Ankoatra izay, raha mividy sary ny olona dia misy amin’ny ampahan’io vidiny io no entina hanohanana ny Medair amin’ny asa any Atsimo. Raha ny antontan’isa voaray mantsy dia manodidina ny 9 400 ireo misitraka ny fanampian’ity ONG ity any Atsimo ka anisan’izany ny famonjena aina sy ny fanomezana rano fisotro madio any an-toerana

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.