Ho sangany aty Afrika sy ny fampandrosoana ny tanindrazana no fanamby apetraky ny UCM mandritra ny fanamarihana ny faha 10 taona nisiany.

Hamolavola olom-baovao ny UCM

Tsy misaraka ny fahaizana sy ny soatoavina. Noho izany dia hamolavola olom-baovao, manam-panahy manam-pahaizana ny Université Catholique de Madagascar na ny UCM izay atao fanamby mandritra ny fankalazana ny faha-10 taona.

Ho sangany eto Afrika sy ny fampandrosoana ny tanindrazana no tanjona. Misy 2200 ny mpianatra ao amin’ny UCM amin’izao. Efa namolavola olona manana ny maha izy azy eto amin’ny firenena ihany koa ny UCM. 

“Efa maro ireo olona efa tomponandraikitra ambony eo @ Firenena sy ny Orinasa nivoaka avy amin’ny UCM”, 

araka ny fanazavan’ny Père Recteur Ravelonantoandro Marc.

Ny maha Oniversite azy no 10 taona fa ny maha “institut” azy dia efa feno 20 taona. Fanabeazana olom-baovao sy ny fanabeazana ny maha olombelona no atao ao amin’ny UCM. Miisa telo ny fakiolite ao amin’ny UCM amin’izao toa ny “ecclésiastique, sciences sociales, sciences humaines” sy ny “École Doctorale “Éthique pour le développement et social-juridique et politique” ary ny “Centre de Recherche pour le Développement (CRD)”.

Ankoatra izay dia ahitana fikambanana 20 mahery izay mamolavola ihany koa amin’ny lafiny ara-kolontsaina, ara-panatanjahan-tena, ara-panahy ny ao amin’ny UCM.

Valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety notanterahan’ny tompon’andraikitry ny UCM. CC : Toria DImbiniaina

Fankalazana ny faha-10 taona

Fanabeazana feno ny ao amin’ny UCM ka hita mandritra ny hetsika fankalazana ny faha 10 taona ny lafiny ara-kolontsaina, ara-panatanjahan-tena, ara-panahy. Marihina fa hiarahana amin’ny Oniversite hafa ny hetsika ara-panatanjahan-tena sy ny zava-kanto.

Hisy fifaninana “slam” izay misy lohahevitra momban’ny tanora, fanabeazana ary ny fitiavan-tanindrazana satria ao anatin’ny fankalazana ny faha 60 taonan’ny fahaleovantena. Hisy fifaninanana momban’ny hira faneva, ny fifaninanana kabary sy dihy izay ahafahan’ny mpianatra maneho ny talentany.

Hisy ihany koa fotom-pivavahana lehibe ny 29 jona 2020. Any amin’ny volana Novambra kosa ny famaranana ny fankalazana ny faha 10 taonan’ny UCM.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: