Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fampianarana ambony – Boky miisa 100 000 natolotra ho an’ny ministera

Book News 0

Last updated on janvier 20, 2020

Manamafy hatrany ny fiarahamiasa ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ambony eto Madagasikara ny Fitondrana Indianina. Misy ny fiarahamiasa amin’ny Fanjakana ho fanatanterahana izany.

Fanolorana boky

Boky miisa 100 000 no natolotry ny Masoivoho Indianina ho an’ny ministeran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika na MESUPRES teny Tsimbazaza ny Talata 14 Janoary 2020.

Blanche Nirina Richard(ankavia), minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, sy Abhay Kumar, Masoivoho Indianina(ankavanana). cc: Toria Dimbiniaina

Boky izay ahitana lohateny miisa 37. Mahatratra 108 000 dolara ny tetibidiny. Ahitana karazana taranja maro ireto boky ireto toy ny Matematika, Tantara, Jeografia, sns. 

Ireto boky ireto moa dia hozaraina amin’ireo oniversite rehetra manerana ny Nosy sy ireo ivon-toeram-pikarohana eo anivon’ny Ministera.

Ankoatra izay dia notokanana nandritra io fotoana io ihany koa ny trano vaovao natokan’ny MESUPRES hampirantiana ireo vakoka sy hampianarana momban’ny tontolo iainana sy ny fikajiana azy.

Notokanana ny Talata teo ihany koa ny tranom-bakoky ny MESUPRES. cc: Toria Dimbiniaina

Fampianarana hampitain-davitra

Miroso mankany amin’ny fanatrarana ny tanjona « Fampianarana ambony ho an’ny rehetra » ny MESUPRES. Hivelatra araka izany ny fiarahamiasa amin’ny MESUPRES sy ny Governemanta Indianina ho fanatanterahana io tanjon’ny ministera io. 

Nohamafisin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Blanche Nirina Richard, fa « amin’izao dia novelarina ny fiarahamiasa mba ahafahana manao fampianarana hampitain-davitra izay hampiharahana amin’ny fanatrarana ny « fampianarana ambony ho an’ny rehetra » ao anatin’ireny Oniversite any amin’ny Faritra ireny. 

“Ny fametrahana ny oniversite amin’ny Faritra dia mifandray indrindra amin’ny politikan’ny fitsinjaraham-pahefana », hoy izy nanampy izany. 

Efa miroso amin’ny fanaparitahana ny Oniversite manerana ny Faritra 23 ny MESUPRES amin’izao. Nilaza ny Minisitra fa oniversite efatra no efa an-dalam-panamboarana. Ny enina kosa dia ezahina ho vitaina amin’ity taona ity.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.