Last updated on août 13, 2019
Mpianatra maro eo anivon’ny sekoly ambony ISPM no
mampiranty ireo voka-pikarohany araka ny lalam-piofanana misy azy avy mandritra
ny 2 ka hatramin’ny 6 jolay eny amin’ny ISPM Ambatomaro Antsobolo.
Fampirantiana ireo voka-pikarohana
Nanomboka omaly ary tsy hifarana raha tsy amin’ny Sabotsy 6 jolay izao ny fampirantiana ireo voka-pikarohan’ny mpianatra eny amin’ny ISPM (Institut Supérieur Polytechnique de Madagascar) Ambatomaro Antsobolo.
Tanora maro manaraka ny lalam-piofanana « Informatique, Marketing, Finance, Droit, Tourisme, Economie, Génie Civile, Pharmacologie » no maneho ireo voka-pikarohany ireo.
Famoahana ny tetikasan’ireo mpianatra ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahadimy no atao mandritra ity hetsika ity. Mitondra voka-tsoa ny fisian’izao fanehoana ny voka-pikarohana izao Fahombiazana ny fanehoana ny voka-pikarohana nokarakarain’ny ISPM nandritra 26 taona nisiany izay.
Nilaza ny Talen’ny Fitantanana ara-bola eo anivon’ny ISPM, Razafindrahety Aimée fa « maro ireo mpianatra nahavita namorona asa na orinasa ho azy manokana. »

Sehatry ny NTIC (Sehatry ny teknolojia sy ny fifandraisana) sy ny PME (Orinasa madinika sy salatsalany no tena maro mpanangana. Misy ihany koa ireo Orinasa mitady ireo mpianatra nohon’ny fahaiza-manaony.
Ankoatra izay dia azon’ny rehetra arahina ao amin’ny pejy Facebook « ISPM- Institut supérieur polytechnique de Madagascar Officiel » ny mombamomba ny hetsika fampirantiana sy ny momban’ity sekoly ambony ity.
Toria Dimbiniaina