Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fampianarana ambony – Namoaka ny Andiany Fanaja ny ESTIIM’

Book News 0

Last updated on janvier 20, 2020

Notanterahina tamin’ny Sabotsy 11 Janoary teo ny famoahana ny mpianatry ny ESTIIM’ Andiany faha 15 mitondra ny anarana Fanaja.

Navoaka ny Andiany Fanaja avy amin’ny Estiim’

Manodidina ny 100 ireo mpianatra andiany Fanaja nivoaka avy amin’ny Estiim’ ny Sabotsy faha 11 Janoary teo. Mpianatra manaraka ny fianarana ampitain-davitra sy an-tsekoly avy amin’ny lalam-piofanana miisa 6 ireto andiany Fanaja ireto. Nahazo mari-pahaizana DTS, Licence, Master 1, Master 2 ireo mpianatra indray nivoaka ireo.

Ankoatra izay, lalam-piofanana vaovao vao noforonina tao amin’ny Estiim’ ny « Science de l’interprétation et de la communication ».

Misy ihany koa ny fandraisana ireo mpianatra marenina 7 mianadahy afaka bakalorea tamin’ny taompianarana farany teo hanaraka ny lalam-piofanana informatika. Izany dia vokatry ny fiarahamisa amin’ny sekolin’ny marenina Akama eny 67ha.

Ankoatra ny fampianarana dia misy ihany koa ny asa sosialy ataon’ity sekoly ambony ity toa ny fambolen-kazo, ny fiahiana ireo zaza tezaina ao amin’ny Akama, ny fanomezana amin’ny Fetim-pirenena sy ny krismasy.

Navoaka ny Sabotsy faha 11 Janoary lasa teo ny Andiany Fanaja avy amin’ny ESTIIM’.
cc: Photo fournie

Kalitaon’ny fampianarana ambony

Misy amin’ireo sekoly ambony eto amintsika no tsy manara-dalàna sy tsy manaram-penitra. Ohatra amin’izany ny famoahana mari-pahaizana bakalorea+2 ao anatin’ny herintaona na Bacc+3 ao anatin’ny roa taona. 

Fomba fiasa izay mampihen-danja ny kalitaon’ny fampianarana ambony. Noho izany dia miantso ny tomponandraikitra mba handray andraikitra sy hanaramaso ny lafiny fampianarana eto Madagasikara ny Tale jeneralin’ny Estiim’, Andrianadison

Nambarany fa « misy fenitra fara fahakeliny tsy maintsy arahina amin’ny fanokafana sekoly ambony toy ny fananana « Agrément » sy « Accréditation ».

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.