Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Fahasalamana – Hotontosaina amin’ny herinandro ny hetsika “Expo-Santé”

Book News 0

Tsy mijanona amin’ny tontolo ara-panahy ihany ny Fiangonana Advantista fa mijery ihany koa ny lafiny ara-batana sy ny saina. Hotanterahina ny herinandro ho avy izao ny hetsika Expo-Santé.

Expo Santé

Mikarakara ny hetsika « Expo-Santé » ny Fiangonana Advantista. Eo amin’ny tokotaniben’ny Lapan’ny Tanàna no hanatanterahina izany ny Alatsinainy 13 May ka hatramin’ny Talata 14 May izao, manomboka amin’ny 8 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.

“Antananarivo salama », io no lohahevitra amin’izao hetsika ara-pahasalamana izao. Tanjon’ny Fiangonana advantista amin’ity hetsika ity ny hanasoavana ny mpiara-belona araka ny baikon’i Jesosy sy araka ny vinan’ny Fitondram-panjakana malagasy, dia ny fanomezana maimaim-poana hoan’ny vahoaka Malagasy.

Nampahafantarina ny mpanao gazety ny hetsika. cc : Toria Dimbiniaina

Misokatra hoan’ny rehetra ary maimaim-poana avokoa araka izany ny tolotra hita ao amin’ity “Expo-Santé » ity.

Tolotra

Maro ireo tolotra hita mandritra ity « Expo-Santé » ity toa ny fijerena ny tahan’ny rano ao amin’ny vatan’ny olona iray mitaha amin’ny lanjany, halavany, taonany, ary amin’ny maha-lahy na maha-vavy azy.

Hisy ihany koa ny fijerena ny tosi-drà sy ny tahan’ny siramamy ao amin’ny vatana. Tsy adino ihany koa ny torohevitra fampiasana ireo fanafody valo maimaim-poana avy amin’Andriamanitra.


Anisan’ny zava-dehibe amin’ity hetsika ara-pahasalamana ity ny fizahanam-pahasalamana maimaim-poana ataon’ireo “Médecins spécialistes- Médecins généralistes- Paramed” mikasika ny : fahasalaman’ny fo, ny lalan-drà,ny fahasalaman’ny reny , fahasalaman’ny zaza, vehivavy, areti-koditra, fizahana maso, famorana zaza, dépistage diabète, dépistage otrik’aretina VIH ary ny torohevitra ara-pahasalamana.

Ankoatra izay dia hisy ny fampirantiana sakafo ara-pahasalamana sy ny fampirantiana boky mirakitra torohevitra ara-pahasalamana.

Tsara ny manamarika fa efa maro ireo hetsika momba ny fahasalamana toy izao any amin’ny fokontany isanisany mba hitandrovana hatrany ny fahasalaman’ny mpiara-belona.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.