Last updated on janvier 4, 2018
« Sady efa manamboatra izy ireo, no mbola manakan-dàlana. Ny olona mandeha eny afovoan-dàlana. Tsara ilay làlan’ny mpandeha an-tongotra vaovao, fa ilaina ihany koa ny fandinihana satria lasa tery ilay làlana, nefa, hatreto, dia mbola làlana azo ifanenana tsara ity làlana ity », hoy ny mpaka mpianatra iray ao amin’ny sekoly Saint-Michel.
Telo volana teo ho eo izao no nanomboka ny fanamboarana ny tranobe iray mifanila amin’ny arabe miditra any Amparibe raha avy eo amin’ny « tunnel » Ambohijatovo. Tamin’ny voalohany, ny trano no namboarina. Ankehitriny, ny làlan’ny mpandeha an-tongotra na « trottoir » kosa no nitarin’ireo tompon’ilay tranobe. Ny olana anefa: mihatery ny làlana satria nohitarina ny làlana ho an’ny mpandeha an-tongotra.

Lasa voatery mifandimby ireo fiara mifamezivezy. Hany ka miteraka fitohanana be ho an’ireo olona mifamezivezy amin’iny Amparibe iny ny fanamboarana sy ny fanitarana ny làlan’ny mpandeha an-tongotra, indrindra rehefa amin’ny hariva amin’ny ora firavan’ny mpiasa.