Last updated on novembre 27, 2019
Manamafy ny fahalalana sy mitarika ny ny vehivavy hiditra amin’ny ara-dalàna ny EFOI.
Fanamafisam-pahalalana ho an’ireo vehivavy mpandraharaha
Mbola maro ny vehivavy tsy sahy miditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana eto Madagasikara. Ankoatra ny tsy fahampian’ny ho enti-manana dia eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fahalalana. Mbola betsaka ihany koa ireo mpandraharaha tsy tafiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna. Noho izany dia manampy ireo vehivavy hiditra eo amin’ny sehatry ny fandraharahana matihanina ny EFOI (Entreprendre au Féminin Océan Indien).
Misy araka izany ny fanamafisam-pahalalana omen’ny EFOI ho an’ireo vehivavy mpandraharaha.
“Mitarika ny vehivavy ihiditra eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna ihany koa ny EFOI », araka ny nambaran’ny Emilie Rakotondrainivonona, Filoha Nasionaly EFOI Madagasikara nandritra ny fanokafana ny Festival des fibres naturelles andiany faharoa teny amin’ny MAE omaly.
Efa mahatratra 500 ireo vehivavy mpandraharaha mpikambana ao amin’ny EFOI nandritra ny 12 taona nijoroany. Isa izay maneho ny firosohan’ny vehivavy amin’ny sehatry ny fandraharahana.
« Ankoatra ny asa tanana dia saika ahitana ny vehivavy mpikambana ao amin’ny EFOI avokoa ny sehatry ny fihariana rehetra », hoy Emilie Rakotondrainivonona.

« Festival des fibres naturelles »
Nanomboka omaly ary hifarana ny 13 oktobra 2019 ny “Festival des fibres naturelles”. Ankoatra ny fampirantiana isan-karazany dia misy ihany koa ny fiofanana momban’ny fampiasana ny « fibres naturelles » mandritra ity « festival » ity.
Hisy ihany koa ny « BtoB » na fihaonan’ny samy orinasa mandritra io fotoan-dehibe io. Mandray anjara amin’ity fihaonamben’ny mpandraharaha vehivavy ity avokoa ireo solotena avy amin’ny Faritra 22.
Ankoatra izay dia mandray anjara ihany koa ny solontena avy amin’ny Firenena hafa toa an’i Maorisy, Comores, La Réunion, Seychelles, Rodrigues.
Toria Dimbiniaina