Last updated on septembre 30, 2019
Mpianatra roa avy amin’ny Lycée Sabotsy Namehana no nandrombaka ny amboara tamin’ny tetikasa « Eco-Ecole », ka hifaninana any Maorisy amin’ireo tetikasa mahakasika ny angovo azo havaozina.
Mpianatra solontenan’i Madagasikara

Mpianatra roa mianadahy avy ao amin’ny Lycée Sabotsy Namehana no nanainga any Maorisy ny herinandro lasa teo rehefa naharesy tamin’ny fifaninanana mahakasika ny angovo azo havaozina.
Araka ny loharanom-baovao dia ny tetikasa izay nentin’ireto ankizy ireto no nahazo ny laharana voalohany tamin’izany ary nialohan’ny niatrehan’izy ireo ny fifaninana tany ivelany dia nisy tetik’asa 14 nifaninana teto Madagasikara ka ny Lycée Sabotsy Namehana no nandresy tamin’izany izay nokarakarain’ny tetikasa « Eco-Ecole », izay mpandrindra izany ihany koa.
Ity farany izay tetikasa eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ary ny ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Araka ny fantatra dia efa 5 taona no no nisiany teto Madagasikara, ary miara-miasa amin’ireo sekoly fanabeazana fototra ny roa tonta amin’izany.
Eco-Ecole
Misy comity nasionaly mandrindra ny tetikasa “Eco-Ecole” eto Madagasikara izay ivondronan’ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra, ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ary ireo mpisehatra amin’ny Tontolo iainana.
Ny “Eco-Ecole” dia tetikasa iaraha-miasa amin’ireo sekoly anabeazana ireo ankizy hitia sy hiaro ny tontolo iainana ary amolavolana azy ireo hikaroka tetikasa mikajy ny tontolo iainana.
Henintsoa Hani