Efa misokatra ny fisoratana anarana aminamin’ny lalao DV Lottery 2019. Tao anatin‘ny herintaona izay, nitombo avo roa heny ireo malagasy nandray anjara tamin’ny DV Lottery.

Mpandray anjara DV Lottery: nitombo avo roa heny

Nitombo ho 2 078 ny isan’ireo teratany malagasy nandray anjara tamin’ny lalao antsapaka “Diversity Visa Lottery” tamin’ny taona 2015 raha toa ka 1 073 izany ny taona 2014 ary 1 195 ny taona 2013. Mihamaro ireo malagasy liana amin’ny fifindra-monina any Etazonia. Fanararaotra iray ho an’ireo maniry ny hanorim-ponenana sy hiasa any Etazonia tokoa ny DV Lottery. Noho ny havitsian’ny malagasy nifindra monina tany Etazonia tao anatin’ny dimy taona, no nahatonga an’i Madagasikara ho isan’ireo mpandray anjara amin’ity fisarihana ity.

DV Lottery 2019: misokatra ny fisoratana anarana

Maimaimpoana ny fisoratana anarana amin’ny DV Lottery.
cc:.Masoivohon’i Etazonia

Tafiditra ao anatin’ireo firenena afaka mandray anjara amin’ny DV Lottery 2019 na ny Antsapaka hanomezana Visa hahafahana mipetraka sy miasa any Etazonia i Madagasikara. Nanomboka ny 3 oktobra 2017 lasa teo tamin’ny 7 ora hariva ny fisoratana anarana tamin’izany. Ao amin’ny tranokalam-pifandraisana dvlottery.state.gov no misoratra anarana ireo mpandray anjara. Maimaimpoana ny fanaovana izany. Nanamarika ny teo anivon’ny departemantam-panjakana Amerikanina fa tsy manan-kery ny fisoratana anarana natao ivelan’io tranokalam-pifandraisana io. Notsipihiny ihany koa fa indray mandeha ihany no afaka manoratra anarana ny mpandray anjara iray ao anatin’ny iray taona. Tokony hanana ny “unique confirmation number” izay rehetra nisoratra anarana. Iny rahateo no hahafahana mijery ny vokatry ny fisarahana izay afaka jerena ao amin’ilay tranokalam-pifandraisana manomboka ny 1 may 2018. Efa nanomboka ny taona 2013 ny Antsapaka hahazoana Visa hahafahana mipetraka sy miasa any Etazonia. Ny Alatsinainy 7 Novambra izao no hifarana ny fisoratana anarana amin’ny DV Lottery 2019.

Haritiana R.

 


Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: