Last updated on novembre 27, 2019
Kaominina miisa 300 no hampiharina ny drafitra fampandrosoana ifotony mandritra ny 3 taona.
Fampandrosoana ifotony
Nodinihana omaly teny Anosy ny drafitra entina mampandroso ny Kaominina miainga avy any ifotony. Nodinihina tamin’izany ireo fomba entina mampandroso ny Kaominina mianga amin’ny laharam-pahamehana misy any an-toerana. Hisy araka izany ny fitrandrahana ny harena misy any an-toerana mba ahafahana mampandroso ny Kaominina.
Nahazatra hatramin’izay ny fiandrasana ny « subvention » na fanampiana ara-bola avy amin’ny Fanjakana foibe ny Kaominina.
« Misy harin-karena azo trandrahana ahafahana mampandroso azy anefa ny Kaominina tsirairay eto Madagasikara ka tsy voatery hiandry ny fanampiana ara-bola avy amin’ny Fanjakana », hoy Mahazoasy Roger, Tompon’andraikitra ao amin’ny ministeran’ny Fintsinjaram-pahefana sy ny atitany.
Noho izany dia hampiharina amin’ireo Kaominina miisa 300 ao anatin’ny Faritra Boeny, Diana, Analamanga ireo ny drafitra entina mampandroso ny Kaominina miainga avy ifotony manomboka ny taona 2020-2022.

Tetikasa izay hiarahan’ny ministeran’ny Fintsinjaraham-pahefahana sy ny atitany sy ny Fanjakana alemana ary ny sehatra tsy miankina miasa. Tanjona ny hisian’ny fandrosoana miantraika amin’ny vahoaka sy ny famoronana asa.
Kaominina 100 no efa nahazo tombontsoa
Raha tsiahivina dia Kaominina 100 ao anatin’ny Faritra Diana, Boeny ary Analamanga no efa nisatraka ity tetikasa ity tao anatin’ny roa taona. Nisy araka izany ny fitrandrahana ireo harena misy any ifotony ho fampandrosoana ny Kaominina toa ny fampiasana ny tsenan’ny kakao sy ny famakiam-bato.
Toria Dimbiniaina