Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Dihy – Challenge Number One : nibata ny fandresena ny Area Club sy ny Dih’Vie

Book News 0

Last updated on septembre 20, 2017

Tanora enina no nahazo ny medaly sy ny “coupe” tamin’ilay fifaninanana dihy Challenge Number One, notontosaina tao amin’ny IST ny sabotsy lasa teo.

Naharesy ny Area Club sy ny Dih’Vie

Nibata ny fandresena nandritra ny hetsika Challenge Number One i Arnaud sy Volatiana (discipline 5 danses) sy i Alain sy Anjatiana (discipline 3 danses) avy ao amin’ny Club de danse “Area”. Voalohany kosa i Yankee sy Fenosoa avy amin’ny Dih’vie tamin’ny discipline “afrolatino”. Ary “coup de Coeur& i Angela sy Lucas avy amin’ny TCX. Lucas izay zay zandriny indrindra tamin’ity fifaninanana ity, satria vao 12 taona monja.

Arnaud et Volatiana de l’Area Club.
Alain et Anjatiana de l’Area Club.
Yankee et Fenosoa de Dih’vie.
Angela et Lucas du TCX Club

Notsaraina tao avokoa ny fomba fandihy, ny fipetraky ny tongotra, ny fanaovana “figures”. Ny dihy ara-panatanjahantena latino “trois danses”, dia ny “chacha” sy ny “jive” ary ny “rumba”, no nadihizan’ireo mpifaninana. Teo ihany koa ny dihy ara-panatanjahantena latino “cinq danses”, dia ny  “chacha”, “jive”, “rumba” ary ny “pasodoble” sy ny “samba”. Ankoatra izay, misy ihany koa ny dihy afrolatino toy ny “bachata”, “kizomba” sy “salsa”. “Misy maro dia maro ireo dihy afrolatino saingy ireo aloha no tena voafehin’ny Malagasy tsara”, hoy i Andy Ramamonjisoa, mpikarakara avy ao amin’ny G’nuine, ny sabotsy lasa teo tao amin’ny ESCA Antanimena, toerana nanatanterahana ny hetsika.

Challenge Number One

Nanomboka tamin’ny 10 ora maraina ary nifarana tamin’ny 6 ora hariva ny Challenge Number One na Challenge # 1, hetsika koltoraly entina hamoriana ireo « clubs de danse » malaza mpanao « danse sportive » eto amin’ny faritra Analamanga sy Vakinankaratra..TEO ambany fikarakaran’ny Federasionan’ny « Danse de salon » sy ny dihy ara-panatanjahatena ity hetsika ity. Ny vondrona mpandihy G’Nuine avy ao amin’ny sekoly IST Ampasampito no nikarakara ny hetsika. Tafiditra anatin’ny fankalazana ny faha-25 taonan’ny IST moa ity hetsika ity. Nisy ihany koa ny filatroana niarahana tamin’ny Bika Gasy. Andiany voalohany ity hetsika hotanterahina eny Antanimena ity, araka ny nambaran’i Andy Ramamonjisoa. Antony nanatontosana ity hetsika ity ny tsy dia fisian’ny fifaninanana dihy ara-panatanjahantena tato ato, araka ny nambaran’ny mpikarakara hatrany. “Mila velomina ny dihy satria efa mihamaro ny mpankafy”, hoy i Andy Ramamonjisoa.

Andiany manaraka

Hisy ny andiany manaraka amin’ny taona ho avy, izay ho ezahina ho atao roa sosona, dia ny Challenge #2 sy #3. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fanakatonana ny faha 25 taonan’ny IST, sady fanokafana ihany koa ny faha 20 taonan’ny Club G’nuine, izay manakalaza izany jobily izany amin’ny 2019. Hisy araka izany ny SuperChallenge izay eritreretin’ireo mpikarakara hatao amin’ny 2019. Ankoatra izay, hisy ihany koa ny “mois de la danse” ao amin’ny sekoly ambony IST manomboka ny tapaky ny volana oktobra ka hatramin’ny tapaky ny volana novambra 2017 izao.

Tiasy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.