Last updated on août 28, 2018
Natolotry ny antoko “Valimbabena ho an’ny Madagasikara” tamin’ny fomba ofisialy ny Sabotsy 30 jona teo ho kandidà amin’ny fifidianana i Dama.
English version avalaible on https://booknews.today/dama-politics-society-abused/
Nanapa-kevitra ny hirotsaka hofidiana i Dama
Efa solombavambahoaka teto amin’ny faritra Antananarivo i Dama, tany aloha. Nisitaka tamin’ny tontolo politika anefa izy rehefa hitany fa lehibe loatra ny fahasamihafana sy ny ady goavana tokony hatao raha tiana handroso Madagasikara. Na dia nisitaka aza anefa izy, dia tsy nipetra-potsiny fa nananganaivon-toerana fampiofanana tantsaha tany Morondava.
Ankehitriny, noho ny hetahetan’ny vahoaka avy amina faritra maro teto amin’ny Nosy izay nangataka ny hilatsahan’i Dama ho kandidà amin’ny fifidianana tamin’ny alalan’ny taratasy nalefa sy fanaovana sonia, dia nanapa-kevitra ny hilatsaka ny tenany.
“Ny antony mahatonga ahy ho tonga eto androany : misy olona marobe isika tonga nanao sonia mifamatotra hiaraka hanao valimbabena ho an’ny firenentsika”, hoy izy nandritra ny kabariny tamin’ny fanolorana azy ho kandidà taminn’y fomba ofisialy, ny sabotsy 30 jona lasa teo.
Ny antoko “Valimbabena ho an’ny Madagasikara” no nanolotra azy, notronin’ireo mpanakanto namany izay tonga an-tsitrapo, toa an’i Gothlieb, Mami Bastà, Feo Gasy, sy mpanakanto tanora maro vao misondrotra.
Nanotrona azy ihany koa ary nanome tso-drano azy ireo rahalahiny avy ao amin’ny tarika Mahaleo. Araka ny nambaran’i Dama, “zava-dehibe ho hay ny tsodrano avy amin’ny tarika Mahaleo izay loharano nipoirako”.
“Aoka izay ny fanararaotana ny fahasahiranan’ny olona!”
Tsy niova ny foto-kevitr’i Dama amin’izao fanapahan-keviny izao fa dia ireo efa nambarany tanatin’ireo tononkiran’ny tarika Mahaleo ihany. Manararaotra ny fahasahiranan’ny olona hatao tohatra fiakarana sy fifehezana ny fahefana ireo mpitondra, hoy izy.
“Voazarazara isika, voazarazan’ny antoko politika […] Mila fohazina ny eritrerintsika hamaly soa an’ilay Nosy”, hoy hatrany ny kandidà.
Ho an’i Dama, sarotra ny handroso raha mbola misy ny tsy fitoviana sy ny hantsana mampizara “ny mpitondra sy ny ho entina, ny andrenivohitra sy ny ambanivohitra, ny mahay taratasy sy ny tsy mahay taratasy, ny manan-koanina sy ny tsy manan-koanina.”
Vina
Misampana dimy ireo vina anaty programan’asan’i Dama.
1- Fitantanana ny ranomasina sy ny harena ao aminy
2- Fitantanana ny tany sy ny harena ao aminy
3- Fitantanana ny ranomamy sy ny harena ao aminy
4- Fampivoarana ny mahaolona: ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy, ara-pitondratena
5- Fampiroboroboana ny angovo azo havaozina.
Ny politikan’i Dama moa dia mifototra amin’ny Fokonolona, hamerenana ny fahefana amin’ny vahoaka sy hampanjakana ny demokrasia.