Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Claudia Raobelina, naharesy tamin’ny Blog4Dev, hisolo tena an’i Madagasikara any Etazonia

Book News 3

Last updated on avril 14, 2018

“Nanoratra aho satria te hitondra ny anjara birikiko amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”. Izay no nambaran’i Claudia Raobelina, mpandresy ny fifaninanana iraisam-pirenena Blog4Dev nokarakarain’ny Banky iraisam-pirenena (BM), raha nanontaniana izy hoe inona no nanosika azy handray anjara tamin’ity fifaninanana lehibe ity.

Version française valable sur https://www.booknewsmada.com/claudia-raobelina-gagnante-blog4dev-madagascar-etats-unis/

English version avalaible on https://www.booknewsmada.com/claudia-raobelina-english/

Claudia Raobelina, nandresy ny fifaninana Blog4Dev

Claudia Navalonirina Raobelina, 22 taona, mpianatra eny amin’ny ESPA vontovorona, lalam-piofanana BTP, taona fahefatra, sady mianatra teny anglisy eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, taona voalohany.

Claudia Raobelina
Claudia Raobelina cc: Claudia

Ity tovovavy ity no nahazo ny laharana voalohany tamin’ilay fifaninanana lahatsoratra, Blog4Dev, nokarakarain’ny Banky iraisam-pirenena (BM) tamin’ity taona 2018 ity. Handeha hisolo tena an’i Madagasikara any Etazonia mandritra ny fihaonam-ben’ireo mpandresy maneran-tany izy, noho izany, ny 13 ka hatramin’ny 23 aprily ho avy izao, any Washington D.C.

Lahatsoratra nosoratany

Nitondra ny lohateny hoe « Madagascar, a Country of a Thousand Hopes, a Country of a Thousand Vulnerabilities » ny lahatsoratra nosoratan’i Claudia ho an’ny fifaninanana Blog4Dev, izay hadika amin’ny teny gasy hoe « Madagasikara, tanim-panantenana, tanim-pahalemena ». Izay rahateo no lohahevitry ny fifaninanana tamin’ity taona ity.[amazon_link asins=’B008QUT9VC,B015OMOMSO,B016JG3PMI’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’6a7440e1-2dee-11e8-9891-a5f7e13e7203′]

Nosoratany tamin’ny teny anglisy ny lahatsoratra, ary araka ny fanazavan’ireo mpikarakara dia vitsy ireo lahatsoratra voasoratra tamin’ny teny anglisy, ka izay no anisan’ny nahazoan’i Claudia tombony.

Claudia Raobelina
Sary nataon’i Claudia Raobelina nampiarahany tamin’ny lahatsoratra nosoratan’izy sy Matthew Rindel ho an’ny fifaninanana Blog4Dev. cc: Claudia

Miresaka tetikasa iray ahafahana manaparitaka ireo vaovao momban’i Madagasikara sy Afrika maneran-tany ity lahatsoratra ity. Ny fiterahan’ny “empathie” eo amin’ny mpamaky no kendrena, mba hahatonga azy hanaparitaka ny vaovao amin’ny hafa ihany koa.

Indro ny lahatsoratra azo jerena amin’ny alalan’ny rohy: https://www.booknewsmada.com/madagascar-country-hopes-vulnerabilities/

Claudia, tanora malagasy sahy mijoro amin’ny heviny

“Nanoratra aho satria aho olom-pirenena voalohany indrindra ary te hitondra ny anjara birikiko amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Trangam-piarahamonina andavanandro no tena soratako satria tiako handinika momba ny tranga efa mahazatra ny masony ny tsirairay fa tsy hanaiky fotsiny satria hoe efa izay no mahazatra”.

Izay no navalin’i Claudia raha nanontanina azy ny antony naharesy lahatra azy handray anjara tamin’ilay fifaninanana Blog4Dev.[amazon_link asins=’B008QUT9VC,B015OMOMSO,B016JG3PMI’ template=’ProductCarousel’ store=’booknewsmada7-21′ marketplace=’FR’ link_id=’6a7440e1-2dee-11e8-9891-a5f7e13e7203′]

Anisan’ireo tanora malagasy sahy mijoro sy maneho ny heviny i Caludia Raobelina. Resy lahatra izy fa mila miteny ireo tanora malagasy satria izy ireo no “ankehitrin’ny firenena”. Mila maneho ny heviny amin’ny fomba hitany fa mety aminy ny tanora tsirairay.

Ho an’i Claudia manokana, amin’ny alalan’ny fanoratana no anaovany izany. Anisan’ny zavatra tena ankafiziny mantsy ny manao sary, mamaky boky, ary koa ny manoratra sy mamakafaka ary mandinika ny fomba amam-panaon’ny fiarahamonina eo amin’ny fiainana andavanandro. Manoratra “chroniques” ao amin’ny tranonkala Book News Madagasikara i Claudia noho izany, ary koa miasa ao amin’ny orinasa afrikanina iray, Sobantu Technologies.

“Efa manana tetikasa maromaro hampandrosoana an’i Madagasikara izahay sy hambolena ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny tsirairay. Tianay hozaraina amin’ny olom-pirenena rehetra maneran-tany izany”, hoy hatrany izy.

Ny fampitana izany fitiavana izany no antony tena mahatonga azy manoratra.

Nofinofy

Ny fandresena ity fifaninanana ity ho an’i Claudia dia toy ny nofinofy mihantanteraka, araka ny fanazavany, satria mbola lavitra ny lalana ary mbola be ny fikasana ho an’ny Madagasikara sy izao tontolo izao, na eo amin’ny lafiny fanoratana fotsiny aza.

Mandritra ny herinandro no mihoatra handalovany any Etazonia dia hihaona amin’olona maro i Claudia, ary hitady hatrany mpiara-miasa amin’ireo tetikasa rehetra entina hampandroso an’i Madagasikara.

“Amiko ny fahatsapan-tena no tena ilaina amin’ny fampandrosoana. Matetika ny olona tsy mitsinjo afa-tsy ny tenany sy ny fianakaviany ary ny atao ho tafita amin’ny dia izy manambola na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ka ny mpitondra sy ny manampahefana eo amin’ny Fanjakana no anankinany ny ho avin’ny mpiray tanindrazana aminy rehefa tsy mandroso ny firenena. Adidin’ny olom-pirenena rehetra nefa ny fampandrosoana amiko dia ny fandresena ny fitiavan-tena sy ny fitiavan-tombontsoa no antoka voalohany amin’ny fampandrosoana. Ilaina ny fifanampian’ny traikefan’ny tsirairay anarenana ny firenena fa ny tao-trano tsy efan’irery ary izay tsy mahay vodin-tsobika mahay fata-bary”, hoy i Claudia teo am-pamaranana.

Tiasy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.