Last updated on décembre 23, 2018
« Mahavelona ve ny miblaogy ? » Izay no fanontaniana mody napetrako tamin’i Tiasy, tao anatin’ny lohabary andasy iray nizarany mikasika ny asany izay miompana amin’ny serasera eo anivon’ny aterineto. Mody napetrako, hoy aho, satria na izaho koa aza mba mpiblaogy, milona ao anatin’io tontolo io ary mihinana izay manta sy masaka ao anatiny. Nisy fiofanana nokarakarain’ny Book News tamin’iny volana oktobra lasa iny momba ny « Influenceurs positifs », tsy nanatrika tao aho fa ity no anjara birikiko entiko izarana amintsika ny ao ambadik’ireny blaogy ireny.
Samy manana ny rano nandroany
« Hatramin’izao aloha, tsia, satria vao manomboka miditra tsikelikely amin’io serasera amin’ny aterineto io ny eto Madagasikara ». Izay no navalin’i Tiasy. Raha ny eto amintsika tokoa dia ny « Blog de Madagascar » angamba no tena fanatry ny besinimaro nefa maro ireo blaogina Malagasy ary samy manana ny mpankafy azy. Misy amin’ny teny Malagasy izy ireny toy ny Blaogin’i Voniary, teny Frantsay toy ny Blog de Rasamy, Anglisy toy ny Gaelle loves madagascar ary fiteny hafa koa aza. Matetika dia mivoy sehatra iray manokana ny blaogy : ao ohatra ny miresaka momba ny sakafo fotsiny, ao ny dia sy anjoria, ao ny tononkalo sy haisoratra, ao ny kajimirindra, ao ny kabary sy ny maro samihafa tsy voatanisa.

cc: Book News Madagascar
Raha ny any an-dafin’ny riaka indray no asian-teny dia tsy vitsy ny mpiblaogy matihanina sy fanta-daza ary mivelona tanteraka amin’io asa io. Singaniko manokana ilay mpiblaogy nizeriana vavy malaza Linda Ikeji, lasa mpanefoefo tao anatin’ny fotoana fohy. Nanaitra ny nofinofy sy ny hambom-pon’ny mpiblaogy gasy maro iny resaka iny ka be no naniry ny ho lasa toa azy satria hoe raha azo atao izany any Nizeria, izay firenena afrikanina, dia azo tanterahina koa eto Madagasikara. Ny indro kely anefa dia fanaratsiana olo-malaza sy mpanakanto ary fanelezana tsaho momba azy ireny no tena ambetin-dresak’io blaogy io ka izay no tena nampiroborobo azy
Mendrika valin-kasasarana ny mpiasa
Mety misy velon’ny blaoginy, misy koa ireo tsy mandray na ariary aza. Fa raha ny ahy aloha dia fitiavana no manainga ahy voalohany izara izay ato am-poko sy saiko. Dia miala maina toy ny miasa talata ve izany aho raha miblaogy hoy ianao ? ! Tsia dia tsia, tsy lany fotoana fotsiny aho fa tao anatin’izay roa taona izay efa nahazo boky Malagasy maromaro maimaimpoana aho, nahafantatra sy lasa mifandray amina karazan’olona maro : mpanoratra, poeta, mpirotsaka an-tsitrapo, tompon’andraikitra amina sampan-draharaha, mpandraharaha sy ny hafa tsy voatanisa. Tsy vitan’izany fa avy amin’ny blaogy no nahazoako fiaraha-miasa amina mpanoratra Malagasy sy mpiblaogy hafa.

cc: Pixabay
Fa anisan’ny valin-kasasarana goavana ihany koa ity : rehefa iny misy olona iray vao nahita iny ny blaoginao, dia mamaky lahatsoratra iray izy, mijery iray hafa koa, ary avy eo voasarika hanisy maso ireo maro hafa. Ary farany dia lazainy fa ankafiziny avokoa ireo lahatsoratrao, toy ireny hoe nahita harena miafina ireny izy. Faly ery ny fo rehefa tojo mpankafy tahaka ireny ary mampiteny anakam-po hoe « misy mamaky ihany kay ny zavatra zaraiko ! ».
Miankina amin’ny tanjona tianao hotratrarina
Misy voambolana mahafinaritra izay fampiasa eo amin’ny tontolon’ny « rap » gasy anasokajiana ireo mpiangaly io gadon-kira io : ny ambanintany sy ny ara-barotra. Ity voalohany dia ilazana ireo mitahiry ilay tena maha-kanto ny rap na amin’ny gadona io na amin’ny lahatsoratra. Ity faharoa kosa iantsoana ireo mikatsaka izay ahazoana vola fotsiny ihany ka izay eritreretiny fa halaza sy ho tian’ny mpanjifa no avoakany, « manara-drenirano toy ny maloto entin-driaka » hoy ny fitenenana. Matetika mifandona foana ireo karazany roa ireo satria samy hafa ny tanjona na sehatra iray ihany aza no ikatrohana, tsy eo amin’ny rap gasy irery fa na amin’ny karazana mozika hafa sy zava-kanto rehetra mihitsy aza ary misy toy izany koa eo amin’ny tontolon’ny blaogy. Amiko manokana, na ambanintany na ara-barotra ny blaogy, na itadiavam-bola na izarana izay mahafinaritra sy mahaliana dia samy andaniana ron-doha avokoa ka anjaran’ny tsirairay no mandanjalanja izay tokony hosoratany etsy andaniny sy izay valisoa tadiaviny etsy ankilany.
Ka raha izaho no anontaniana hoe mahavelona ve ny blaogy ? Tsia, ary indraindray aza tahaky ny mila raharaha toa an-dRainizafilemena mihitsy ianao : mikaroka fahasahiranana. Saingy, tiako ny miblaogy, tiako ny mizara ary tiako ny manoratra, indrindra amin’ny tenindrazako J. Izany no mbola mandrisika ahy hikaroka, hanadihady sy hanokatra pejy vaovao eo anoloan’ny solosaiko indray rehefa iny miakatra iny ny aingam-panahy.