Miisa 31 ireo nahavita fiofanana momba ny blaogy sy ny fikirakirana anterineto nokarakarain’ny vondrona Teny Gasy 2.0 teny amin’ny CEMDLAC Analakely ny 08, 15 ary 22 Febroary 2020.

Liana amin’ny blaogy sy teny malagasy ny olona

Notanterahina ny 29 Febroary 2020 teny Analakely ny fanolorana mari-piofanana an’ireo mpiofana 31 nahavita fiofanana momba ny teny malagasy sy ny fikirakirana anterineto intelo misesy.

Ireo mpiofana nahavita fiofanana momban’ny blaogy. cc : Tsiky Photography

Maro ireo blaogy soratana Malagasy saingy tsy amin’ny teny malagasy izany. Misy ihany koa ireo mikirakira ny aterineto izay tsy mahafehy ny fitsipipitenenana malagasy. Noho izany dia natao izao fiofanana izao mba ho fampiroboroboana ny teny malagasy any amin’ny aterineto. Nisy araka izany ny fampianarana ny fitsipiky ny teny malagasy, ny fizarana ohabolana, ny fianarana mikirakira blaogy ary ny famoronana lahatsoratra amin’ny blaogy. Tanjona ny 

“hitomboan’ny isan’ny blaogy amin’ny teny gasy”,

 hoy i Heriarilala Andriamamonjy, mpikaroka momba ny teny malagasy ao amin’ny Vondrona Teny Gasy 2.0.

Manentana ihany koa izy mba 

” hikajy tsara ny teny malagasy rehefa manoratra teny malagasy any amin’ny anterineto”.

Fotoana fizarana ny mari-pankasitrahana tao @ CEMDLAC Analakely. cc : Tsiky Photography

Ankoatra izay dia mbola hisy ny fiofanana momba ny teny malagasy sy ny fikirakirana anterineto andiany faharoa ary mbola hiampy ny zavatra ianarana.

Toria Dimbiniaina


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: