Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Barea, Ilay manoto!

Book News 0

Last updated on décembre 4, 2019

Nandresy ny Barea, misaotra Barea!

Mientanentana hatrany ny fo rehefa hiakatra an-kianja ny ekipantsika Malagasy. Na dia tsy mpankafy baolina kitra aza ny tena dia liana, voasarika hiara-hirona amin’ny Malagasy tsivakivolo. Lalao iny omaly iny! Tena nilalao ry Abel Anicet, Rakapy vaovao, sy ny tariny. Nitarika lalandava ny Malagasy, voafehiny ny lalao, azy ny kianja na dia ry zareo Nigerianina aza no tompon-tanàna. Nandresy tamin’ny fomba miezinezina ny Barea 6 no 2. Horakoraka aoka izany! Faly! ravo!

Santionany amin’ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara
cc : Facebook Barea de Madagascar

Fandresena tsy tsaroana

Oviana moa no nisy toy izany teo amin’ny tantaran’ny baolina kitra malagasy? Hoy angamba ny sasany. Tsy vao sambany tokoa anefa. Vao lalao voalohany tamin’ny fifanandrinana teo amin’ny firenena frankofona tamin’ny 15 Aprily 1960 dia efa nametraka ny ekipam-pirenentsika. Lavony tamin’ny isa 6 no 1 ny Haute Volta (Burkina Faso ankehitriny). Tany amin’ny lalao manasadalana vao nifarana ny diany, saingy nataony nandadilady tamin’ny 8 no 1 ny Congo tamin’ny fiadiana ny laharana fahatelo.

Tamin’ny volana Septambra 1963, niatrika ny fifaninana lalao baolina kitra telozoro, Madagasikara – Maurice – La Réunion, indray isika. Lavony tamin’ny isa 6 no 1 ry zareo avy any La Réunion tamin’izany. Ary tamin’ny 30 Aogositra 1990, narodany tamin’ny elanelan’isa goavana 6 no 0 ny ekipa avy any Seychelles.

Marina fa tsy tafavoaka ny fifanintsanan’ny CAN sy ny lalao baolina kitra maneran-tany isika efa amam-polotaonany maro izay, saingy tsy hoe resy lava foana ny ekipam-pirenena malagasy hatramin’izay nisiany. Efa tafakatra avo tokoa ny malagasy teo aloha fa donton’ireo fahalavoana nifanesy angaha isika ka toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana izy ireny.

Ny zava-bita mahatalanjona toy ireny anefa dia tsara ho tadidy, tsara raiketina mba ho vela tsy ho fatin-kosoka. Ireny no hoentin’ny taranaka amam-para mihoitra any aorina any, ireny no hanampy azy ireo hanakatra toy izany koa na tsaratsara kokoa aza. Hirehareha izy ireo fa manana olomanga ny fireneny ary mahavita zavatra ny malagasy.

Ny fihetsikin’ny mpilalao rehefa mandresy
cc : Facebook Barea de Madagascar

Manan-jina tokoa angaha ny anarana

Raha tsiahivina dia “Club M” no fiantso ny ekipam-pirenena malagasy tany amin’ny taona 80 tany. Tao aorian’izay indray dia “Scorpions de Madagascar”. Tamin’ny taona 2005 no nomena azy ireo ny anarana Barea. Nisy fifaninanam-pirenena mihitsy tamin’izany ho famoronana anarana ho an’ny ekipam-pirenena ka Razanajoelina Clothilde no nahazo ny laharana voalohany tamin’ilay sosokevitra hoe “Barea”. Ny barea dia iantsoana ny omby any amin’ny faritra atsimo sy andrefan’ny nosy.

Marihiny tsara fa ny feo “re” no tsindrina fa tsy ilay “a” farany rehefa mamaky azy io. Diso ihany koa ny famakin’ny sasany hoe “bare”.

“Barea zao omby lia, laha vonina io hohany, laha tsisy sira io laha matsiro avao!”

Razanajoelina Clothilde

Io no namalian-drainy ny fanontaniany hoe “Ino Barea zao?” rehefa nahita ilay tanàna hoe “Bebarea” izy. Io no nampitsiry ilay hevitra hanolotra ny anarana hoe Barea.

Izao no barea aminy
cc : Facebook Barea de Maadagascar

Dia io anarana io no nentin’i Faneva Ima, Bolida, Carolus, Melvin, Morel, Rainilekely sy ny namany nitondra avo ny voninahi-pirenena. Satria dia ny barea, manoto ny barea, matanjaka ny barea ka sarotra ny misambotra azy ary tsy voafehy izy raha ompiana.

Miantraika any amin’ny atidoha izany toetran’ny barea izany ka hita taratra tamin’ny fihetsikin’ny mpilalao Malagasy. Nipaka tany amin’ny tsirairay ihany koa ny herin’ilay “#AlefaBarea” ka tsy nisalasala niara-nirona ny Malagasy rehetra nanohana.

“Miasa mangina any am-parahatoka toy ny dokambarotra amin’ny haino aman-jery ny teny”

Niry-Solosoa

Eto am-pamaranana, mahatsiaro an’ireo antokon’olona milaza fa “Manankasintsara” no tena anaran’ity firenentsika ity ary “Manankasina” no anaran’ny mponina. Inona tokoa moa ny dikan’izany hoe “Madagasikara”, “Malagasy”? Asa… Tokony hiova anarana hono isika fa manan-jina ny anarana!

Voniary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.