« Manamarina ny hatsaran’ny kalitao omen’ny Orinasa ny fahazoana ny ISO 9001″, araka ny filazan’i Alain Merlot, Tale jeneralin’ny Banky BMOI.
Notolorana ny ISO 9001 ny banky BMOI
Nanomboka ny taona 2001 no nahazoan’ny banky BMOI ny fenitra ISO 9001. Mbola mitohy izany, 18 taona aty aoriana izao.
Nilaza ny Tale jeneralin’ny Banky BMOI, Alain Merlot, ny Alakamisy lasa teo, nandritra ny fanolorana ity fenitra ity omaly teny Antaninarenina fa « manamarina ny hatsaran’ny kalitao omen’ny Orinasa ny fahazoana, indrindra ho an’ny mpanjifa ity fenitra ity. Ny BMOI dia isan’ireo banky 4 lehibe indrindra eto Madagasikara. Manana masoivoho 19 izahay ary miara-miasa amina mpanjifa goavana 34 000 »
Notolorana ny ISO 9001 ny Alakamisy lasa teo ny banky BMOI. cc : Toria Dimbiniaina
Mbola vitsy ireo orinasa manana ny fenitra ISO 9001 eto amintsika. Fenitra iraisam-pirenena tsy azo ihodivirana hanamarinana ny kalitaon’ny famokarana eo anivon’ny orinasa ny ISO 9001. Na dia maro aza ireo orinasa liana amin’ny fidirana ao anatin’ny fenitra ity, nilaza Noro Andriamamonjisoa, tomponandraikitra eo anivon’ny AFNOR, izay orinasa miandraikitra ny fanomezana fenitra fa:
« Mbola vitsy ny manana ity fenitra ity amin’izao. Anisan’ny takiana amin’ny fanomezana ity fenitra ity ny fanajan’ny orinasa iray ireo fepetra napetrany hanatanterahany ny asany ».
Toria Dimbiniaina