Olona telo indray no matin’ny pesta

Olona telo indray no fantatra fa matin’ny pesta, amin’izao ora izao. Ireo fahafatesan’olona telo ireo dia mifanampy amin’ireo 42 farany. Araka ny antontan’isa nomen’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, nanomboka ny 1 Aogositra 2017, tranga 387 no hita. Tranga 277 no voalaza fa “pulmonaires” ary 106 “buboniques”.