Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Aterineto, mamono ny teny Malagasy ve ?

Book News 3

Last updated on mars 14, 2019

Raha jerena avy aty ivelany tokoa dia toa maty na hoe eo am-pialana aina angaha ny tenin-drazantsika. Minoa ahy anefa ianao fa maro ireo sehatra, orinasa, sampan-draharaha mivoy ny maha-Malagasy sy ny teny Malagasy. Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenin-dreny rahampitso 21 Febroary. Fotoana izao ahafantaranao fa tsy maty tsy akory ny teny Malagasy fa mbola miaina sy mivelatra na aty amin’ny aterineto aza.

Hoy izay namako mpiblaogy iray izay nanatsafa ahy : « Mba misy olona mitovy hevitra aminao toy izany ve ? Mba misy vondron’olona ve manana hevitra tahaka ny anao izany ? » Tsy mahagaga raha nametraka izany fanontaniana izany izy satria zava-baovao taminy loatra ny fisian’ny mpiblaogy amin’ny teny Malagasy madio rano toy ny Blaogin’i Voniary. Raha ny hita manko dia rakotra teny frantsay ny tontolon’ny blaogy eto Madagasikara, ary tsy ny blaogy irery ihany fa ny aterineto iray manontolo mihitsy no mahalana vao ahitana ny tenin-drazantsika. Mipaka hatrany amin’ny fiainana andavanandro izany toe-javatra izany : any am-pianarana, any am-piasana na any amin’ny raharaham-panjakana dia toa takona hatrany ny teny Malagasy manoloana ilay tenin’ny mpanjanaka.

Ny teny Malagasy sy ny Blaogy

teny Malagasy
Ny Blaogin’i Voniary no voahosotra ho blaogy mendrika indrindra, sokajy « Teny gasy », tamin’ny fifaninana Best of Malagasy BlogS (BOMBS). cc: Facebook

Atomboko amin’ny tontolon’ny Blaogy ihany ny resaka. Maromaro ireo Blaogy mamelona ny teny Malagasy ary samy manana ny foto-kevitra ijoroany. Niezaka mampivoitra ireo mendrika indrindra amin’izany ilay fifaninana Best of Malagasy Blogs (BOMBS) izay efa nisy hatramin’ny taona 2009, ao anatin’ilay sokajy « Teny Gasy ». Am-panetren-tena tanteraka no ilazako fa tamin’ity taona 2019 ity dia ny Blaogin’i Voniary no voahosotra ho mendrika indrindra araka ny safidin’ny mpamaky sy ny mpitsara. Manana ny maha-izy azy ihany koa ireo blaogy hafa toy ny Avy Lavitra, izay nahazo ny loka BOMBS tamin’ny hetsika voalohany indrindra ary ny Jentilisa Blaogy izay nandrombaka ny amboara tamin’ny BOMBS 2010.

Raha tsiahivina kely ny mahasamifaha ny blaogy amin’ny tranonkala hafa dia noho izy malalaka kokoa amin’ny fanehoan-kevitra manokana. Tsy vitan’izany fa azon’ny mpamaky atao ihany koa ny mizara izay fihetseham-pony manoloana ny lahatsoratra iray. Raha fintinina dia velona sy miaina kokoa ny blaogy ary izay no mahatonga azy ho fitaovana mahomby hampiroboroboana ny teny Malagasy.

Ny teny Malagasy sy ny tambazotran-tserasera

Ny zava-misy any amin’ny Facebook, izay tambazotram-pifandraisana be mpampiasa indrindra eto amintsika, dia mahazo laka ireny fomba fanoratra antsoina hoe fiteny somaiso ireny. Tsy misy henatra akory ry zavavy sy ry zalahy isany mampiasa C, Q, U, X, W any anaty fehezanteny amin’ny petadrindriny sy hafatra miafiny any nefa dia tsy ao anatin’ny abidy Malagasy mihitsy ireo. Ny tena olana dia ireny pejy amam-bondrona be mpanaraka ireny, izay tokony ho filamatra indrindra no mizara sary, hevitra na lahatsoratra amin’ireny fiteny manimba ny teny gasy ireny.

Ny teny Malagasy any amin’ny aterineto amin’ny ankapobeny

teny malagasy
Afaka manao fikarohana amin’ny teny gasy soa aman-tsara amin’ny Google.

Izany indrindra no maha-sarobidy ireny pejy sy vondrona mivoy ny teny Malagasy. Ao ohatra ny pejy Tsipelina, toy izao ny fanoratra sy Malagasy ve ianao. Singaniko ihany koa ireo vondrona izay sarotiny sy saro-piaro tokoa amin’ny fanajana ny teny Malagasy toy ny Izany Ka Malagasy sy ny Fiteny Malagasy. Mbola misy koa ireo vondrona maro fizarana asa soratra Malagasy toy ny tononkalo sy ny sombin-tantara. Marihina ihany koa fa efa misy ny Facebook amin’ny teny Malagasy nanomboka tamin’ny 2016.

Raha ny any amin’ny aterineto amin’ny ankapobeny indray no lazaina dia tsy vitsy ihany koa ireo sehatra manome lanja ny teny Malagasy. Resahiko voalohany ny Wikipedia, ilay rakipahalalana an-jotra malalaka maneran-tany ifarimbonan’ny besinimaro. Maro ny fiteny hita ao ary tsy mitsanga-menatra isika satria nanomboka tamin’ny taona 2004 dia nampidirina tao ihany koa ny teny Malagasy. Manaraka izany ny Google dikanteny izay efa ahitana voambolana Malagasy maromaro na dia mbola tsy tomombana aza ny fandikan-teny. Fanampin’izany dia maro ireo tranonkala mampiasa ny tenin-drazantsika. Singanina manokana amin’izany ny vohikala serasera.org izay efa ela nihetezana tokoa amin’ny fampifandraisana ny Malagasy indrindra ireo am-pielezana any amin’ny firenena hafa any.

Matetika dia fitiavana no manosika ireny olona mirotsaka amin’ny fameloma-maso ny teny Malagasy amin’ny aterineto ireny ary tsy mandray tambiny izy ireny amin’izany. Tsy efan’olon-drery anefa izy io satria toy ny asa vadi-drano, tsy vita raha tsy ifanakonana. Mila ny fandraisana anjaran’ny besinimaro, mila ny anjara birikinao na amin’ny famakiana ireo voasoratra na indrindra amin’ny fampitomboana hatrany ny raki-tsoratra isan-karazany. Izany indrindra no mahatonga anay hanomana ilay hetsika « Teny Gasy 2.0 » amin’ny volana Jona ho avy izao, ao anatin’ny fanamarihana ny iray volan’ny teny Malagasy, mba ho fampahafantarana sy fampiroboroboana ny teny Malagasy amin’ny aterineto.

Blaogin’i Voniary

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.