Tontosa ny talata lasa teo ny fizarana ny mari-pahavitan’ny fiofanana asa tanana izay nokarakarain’ny Cenam.
Mpiofana asa tanana navoaka

cc: Toria Dimbiniaina
Notanterahina ny talata lasa teo teny amin’ny « Académie National des Sports » ny fizarana ny mari-pahavitan’ny fiofanana asa tanana izay nokarakarain’ny Ivon-toeram-pirenenan’ny Asatanana Malagasy, fantatra amin’ny hoe « Cenam ». Nosalorana ny anarana Ezaka ity andiany navoaka ity, izay nahitana mpiofana miisa 282 mizarazara isam-paritra : 16 tany Diana, 22 tany Antsinana, 24 tany Boeny, 79 tany Vatovavy Fitovinany ary 151 teto Analamanga. Fa ny mari-pahavita’ny Fiofanan’ireo mpiofana 151 eto Analamanga no nozaraina ny alarobia 22 Aogositra.
Miisa 8 ireo karazam-piofanana narahin’ireo mpiofana toa ny Tenona, ny Rary, ny Amboradara, ny zaitra, ny rafitra vy sy hazo, ny korose, fanodinana ny taratasy sy plastika ho tao-zavatra ary ny mécatronique.
Ny tanjon’ny Cenam dia ny fanomezan-danja ny fiofanana arak’asa, ka hitondra vokatra mivantana sy haingana ho amin’ny isan-tokatrano sy ny fianakaviana.