Mbola avo ny salan’isan’ny Malagasy mety ho voan’ny bilarziozy. Ny tsy fahalalana madio no tena mahatonga izany.
Mety hahavoa olona maro ny bilarziozy
Araka ny fikarohana nataon’ny mpikaroka Malagasy momban’ny aretina bilarziozy dia 90%-n’ny Malagasy ao anatin’ny distrika 107 no mety ho voan’ny aretina bilarziozy.
Nilaza ny Profesora Rakotozandrindrainy Raphaël nandritra ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Institut Bernhard Nocht Hambourg avy any Alemana fa « heverina ho mahatonga antsika ho tara amin’ny fampandrosoana ny aretina bilarziozy, very ny rà any amin’ny amany sy any amin’ny maloto ka mahatonga havizanana. Noho izany dia tsy afaka mamokatra ny olona ».
Ny toerana misy rano ka misy sifotra dia ahitana bilarziozy. Faritra telo no tena ahitana ity aretina ity toa an’ny Itasy, Amoron’i Mania, Atsimo Antsinana. Mba hialana amin’ity aretina ity dia tsy azo atao ny mangery ankalamanjana sy mamany eny akaikin’ny rano na anaty rano.

Marihina fa efa feno 10 taona ny fiarahamiasa eo amin’ny Oniversiten’Antananarivo sy Institut Bernhard Nocht Hambourg momban’ny fikarohana aretina bilarziozy. Ankoatra ny famatsiana ara-bola dia misy ihany fifanakalozana mpianatra sy fifanakalozana manam-pahaizana ataon’ny roa tonta.
Teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo no natao ny sonia fifanarahampiaramiasa teo @ université d’Antananarivo sy ny Institut Bernhard Nocht Hambourg ny Alarobia lasa teo.
Toria Dimbiniaina