Ny loto sy ny tsy fitandremana eo amin’ny sakafo hoanina no anisan’ny antony mahatonga ny aretin-kibo.

Maro ireo tratran’ny aretin-kibo

aretin-kibo

Maro ireo olona tratran’ny aretin-kibo ao anatin’ny fotoam-pahavaratra sy vita fety toy izao.
cc: Pixabay

Maro ireo olona tratran’ny aretin-kibo ao anatin’ny fotoam-pahavaratra sy vita fety toy izao. Ilaina araka izany “ny fitandremana eo amin’ny sakafo hoanina”, araka ny nambaran’ny mpitsabo, ny dokotera Fidy Bariniaina.

Tokony hadio foana ny tanana. Ilaina ny misasa tanana amin’ny savony mialoha ny hisakafo. Tokony hangotraka ihany koa ny rano hisotroina. Tsy azo atao ny mihinana sakafo efa lany daty.
Ankoatra izay, dia nilaza ihany koa ny dokotera fa “ilaina ny manantona toeram-pitsaboana raha sendra toe-javatra mampiahiahy toa ny aretin-kibo”.

Ankoatra ireo dia vanimpotoana hitrangan’ny aretina kitrotro koa izao. Ity farany avy amin’ny “rougeole”, izay malaky mifindra. Fomba maro no mety hampifindra azy toa ny fifindrana amin’ny alalan’ny fofon’aina, ranon-delo. Mety ho voan’ny kitrotro ihany koa ny olona efa vita vaksiny fanefitra raha toa ka ka voatazony ny tanjany. Noho izany, ankoatra ny fanaovana vaksiny dia ilaina ny fitazomana ny ahatanjahana amin’ny alalan’ny fahampian’ny torimaso sy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana. Ilaina ihany koa ny fipetrahana amin’ny toerana azon’ny masoandro.

Marihina fa mety mahafaty ny kitrotro.

Toria Dimbiniaina


Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: