Last updated on septembre 5, 2017
“Ambony ny tahan’ireo olona tratran’ny areti-mandoza eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny aretin’ny voa sy ny aretina hepatita. Lafo anefa ny saran’ny fitsaboana ireo aretina ireo eto an-toerana.”
Misoko mangina
Maro. 23%n’ireo mponina any ambanivohitra no tratran’ny aretina hepatita eto Madagasikara raha ny tatitra avy amin’ny ministeran’ny fahasalamana.Ny tsy fahafantarana fa indrindra ny fahalaviran’ny toeram-pitsaboana no mahatonga io taha ambony io. Kamo ireo olona hanara-maso ny toe-pahasalamany. Mamotika tsikelikely ny aty ity aretina ity. Mety hivadika homamiadana izany rehefa tsy voatsabo ara-dalana. Mifindra amin’ny alalan’ny rà ny tsimokaretina. Eo ihany koa ny fampinonoan-dreny sy ny firaisana ara-nofo tsy voaaro. Ho an’ny aretin’ny voa, ireo olona manana tahana kolesiterola ambony no tena tratrany. Azo atao tsara anefa ny misoroka izany amin’ny alalan’ny fitandremana ny sakafo hoanina sy ny fahazotoana misotro rano. Misoko mangina ireto aretina ireto. Tsy misy ny fambara maneho azy. Hoan’ny aretina hepatita anefa, efa azo atao tsara ny mitily izany mialoha amin’ny alalan’ny fakana ra, mba afahana mandray fanampahan-kevitra mifandraika amin’ny zava-misy.
Fitsaboana
©
©Tous ensemble contre l’hépatite B à Madagascar 2017
Ny fanatonana mpitsabo no vahaolana afahana misoroka sy mitsabo ireto aretina ireto. Mbola olana amin’ny fitsaboana eto Madagasikara anefa ny saran’izany. Hoan’ny aretin’ny voa manokana, 200 000 Ariary hatramin’ny 350 000 Ariary ny saran’ny fanaovana « dialyse » iray. Mila atao matetika anefa izany. Ny “dialyse” ihany hatreto no fomba afahana manampy ireo olona miady amin’ity aretina ity. Tsy mbola misy rahateo ny fandidiana sy ny fanoloana ny voa eto Madagasikara. Hoan’ny aretina hepatita in-telo miantohana no hanaovana ny vakisiny hisorohana azy. 40 000 Ariary ny iray amin’io vaksiny io. Nisy kosa ny fampihen ana izay vidiny izay mandritra ity volana Aogositra ity, ka 13 000 ariary no hanjifana ny iray. Hoan’ireo izay efa tratran’ny aretina kosa, misy ny fitsaboana tokony arahina ka mihinana fanafody mandritra ny taona.
Tsy ny be sy ny maro no mahatakatra ny saran’ny fitsaboana eto Madagasikara. Maro araka izany no mionona amin’ny fanafody mampitony ny fanaintainana fotsiny, eo ihany koa ireo miandry fahafatesana any an-trano nohon’ny tsy fahampian’ny hoeti-manana. Mbola sarotra rahateo ny hahazo fitsaboana ara-dalana any amin’ireo hopitalim-panjakana rehefa tsy misy ny eo am-pelatanana. Mbola ho ela araka izany vao mety ho sitrana ireo olona tratran’ny areti-mandoza.
Ony Ranaivoson