Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

« Application VIEN » – Fampahafantarana ny didy aman-dalàna manan-kery eto amin’ny Firenena

Book News 0

Noho ny fahamaroan’ny olona mbola tsy mahalala ny lalàna eto amin’ny firenena dia natao ny « application » VIEN hanampiana ny olona ny amin’ny tokony ho ataony manoloana ny tranga misy azy.

« Fitaovam-piadian’ny olom-pirenena »

Amin’ny maha mpanelanelana ny « Médiateur de la République », anjaran’izy ireo no manoro hevitra sy toromarika ireo olona mitaraina eo aminy ka izany indrindra no nipoiran’ny famolavolana ity « Application VIEN » ity. Nohamafisina ihany koa fa fitaovana iray afaka mamaha ny olan’ny olom-pirenena ny fananana ny « VIEN » ao anaty finday noho izy afaka manafoana ny kolikoly sy hahafahana mahalala ny tokony hatao manoloana ny tranga iray.

« Noho ny fahaizana lalàna dia afaka miady amin’ny kolikoly, afaka miaro tena, afaka mahafantatra ihany koa hoe inona no tokony sy tsy tokony hatao. Ary indrindra, ny antony hisian’ny médiature de la république dia ny hamaha ny olana misy eo amin’ny fampiarana ny lalàna »,

hoy ny fanazavan-dRakotoarison Hery Philippe, Médiateur de la République.

Fiaraha-miasan’ny Médiateur de la République sy ny sy ny Tech-Aid Madagascar ny « application VIEN » ho fanapariahana ireo didy aman-dalàna manankery sy ireo vaovao rehetra ao anatin’ny tontolon’ny lalàna.

Natao ho an’ny olon-drehetra

Araka ny nambaran’ny teo anivon’ny « Médiateur de la République », maherin’ny 500 ireo fitarainana azo avy amin’ny olom-pirenena. Ireto no tena mateti-pitranga amin’izany : ny fitarainana mahakasika ny olan’ny fananan-tany, fitarazoan’ny fiasan’ny fitsarana, ny lafiny arak’asa, ny fangatahana apetraka amin’ny sampan-draharaha izay tsy voavaha, ny fisiana fanakatonana orinasa sy sekoly, ny fitarainana miteraka fitokonana. Tamin’ny alalan’ireo fitarainana ireo no nahafahana nanatsoaka fa mbola maro ireo olona tsy mahafantatra ny didy aman-dalàna manan-kery eto amintsika.

Natao ho an’ny olona rehetra ny application VIEN, na ny olon-dehibe na ny tanora. Marihina fa malagasy mpahay informatika sy mpahay lalàna ary mpanao gazety no namorona azy.

Maro ny tombontsoa ho azo avy amin’ny fampiasana ity « application » ity. Ao anatin’izany ny fahafahana mametraka fitarainana mivantana amin’ny Mediature de la république, ny « Annuaire Avocats », « Journal Officiel », ny filan-kevitry ny Gouvernemanta sy ny Minisitra, ny fanabeazana ny olom-pirenena, ny asan’ny fitsarana sy didy aman-dalàna.

Anisan’ny mbola ezaka atao ihany koa ny famoahana ny lalàna amin’ny teny malagasy izay hahazoana fitarainana maro noho ny fahasarotan’ny ny fehezan-tenin-dalàna sy ny didim-pitsarana izay sarotra amin’ny olona sasany no mahalala ny tena dikany.

Shénica Ravoson

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.

On The Online Website asian sexdollcheap love dollsmall sex doll porncheap sex dolllife like sex dollsasian fuck dollreal doll sex toy.
On The Online Website sex dolllove sex dollrealistic sex dollcheap love dollsmall sex doll porn.