Tondradrano goavana iny tamin’ny herin’ny anio iny. Dibo-drano Antananarivo tao aorian’ny firotsahan’orana adiny iray monja. Mbola azo harenina ve izany sa hiaina amin’ny mahazatra eto ihany isika? Misy tokoa ny vahaolana fa anjaran’ny tsirairay no mandray ny andraikitra tandrify azy.

Samy tompon’andraikitra

“Mba miangavy ny fanjakana hijery anay ety amin’ny faritra iva fa tsentsina foana ny lakandrano ety aminay ety. Raha vao avy ny orana dia dibo-drano izahay.”

Hoy ilay ramatoa iray rehefa nanontaniana ny heviny mikasika ny tondradrano

Fanakianana avy hatrany no tonga tato an-tsaiko vao naheno ny valin-tenin’io olona io. Fa angaha moa ny fanjakana no manary fako eny amin’ny lakandranonareo ka mahatsentsina azy ireny? Fa angaha moa ny fanjakana no tsy mahatsapa tena mitsimpona izay fako manodidina eny na koa tsy manadio ny tatatra? Ny mponina, ny tsirairay izay tsy mandray ny andraikiny bitika indrindra amin’ny fanadiovana, izay no fototry ny olana raha tomorina akaiky.

Izay fandraisana andraikitra manandrify azy izay no manosika an’ilay rangahy atao hoe Dadazaka manadio ny tatatra eo amin’ny manodidina azy. Mponina eny amin’ny faritra iva, eny Ambalakisoa Anjanahary i Dadazaka. Efa am-polotaonany maro izao, manadio ny lakandrano manamorona iny tetezana mampitohy an’Andravoahangy sy Anjanahary iny izy araka izay fahafahany. Fony mbola  natanjaka tsara dia mahavatra na isan’andro aza, fa ankehitriny nony nahazo taona izy dia indraindray ihany izy no manadio eo. Hatramin’izay ka hatramin’izao, tsy misy manampy mihitsy izy fa honjohonjony izy samirery hatrany ny manatanteraka io fanadiovana io. Mendri-piderana ny finiavany. Raha mba maromaro ny toa azy, mety tsy ho dobon-drano intsony ve ny amin’ny faritra iva? 

Oviana vao handray fepetra ny fanjakana?

Raha atao anefa ny jery ankapobeny, dia tsy hahafoana ny tondradrano tokoa izay ezak’i Dadazaka sy izay rehetra toa azy. Tsy toerana iray na fokontany iray manko io voakasiky ny olan’ny tondradrano io fa Antananarivo iray manontolo. Tsy Andravoahangy sy Besarety fotsiny na Antohomadinika, Ankasina, Ampefiloha sy Andavamamba fotsiny fa hatrany Analakely, Tsaralàlana, Antanimena, Ankorondrano sy ny maro hafa. 

“Raha ny sary rehetra hita iny 8 Janoary 2020 iny dia toa nifindra tetsy Analakely ny ranon’Ikopa, naka toerana tetsy Besarety ny dobon’i Mandroseza, nihanaka nanerana an’i Mahamasina sy Ampefiloha ny farihin’Anosy.”

Hoy I Vanf tao amin’ny L’Express de Madagascar ny 11 Janoary.

 Efa tsy an-dohalika fa am-balahana ary tsy ranom-bary ny resaka fa rano… maloto. Ilàna vahaolana vaovao sy maharitra ity toe-draharaha ity fa ny vendrana ihany no mamerina ny zavatra nataony teo aloha nefa miandry valiny hafa hoy i Einstein. 

Tsy hipasoka ny efa malama anefa aho. Efa maro ny lahatsoratra sy fanehoan-kevitra etsy sy eroa manamarina fa ny fanotofana tsy am-piheverana ireo tanimbary sy honahona no miteraka ny tondradrano eto Antananarivo isaky ny mipaika ny fahavaratra. 

“Raha ny resaka vita teto ankoatra ny lahatsoratra amin’ny teny frantsay, izay dimiambiroapolo taona izay, manakiana ny fanotofana tanimbary efa nahavitana boky”

Hoy ihany i Vanf tao amin’ny L’Express de Madagascar tamin’ny 26 Aogositra 1997.

Mampametra-panontaniana izany rehetra izany hoe oviana ihany vao ho tonga saina ny fitondram-panjakana ka handray ny fepetra hamehezana ity tondradrano eto Antananarivo ity.

Vahaolana: mitodika amin’ny taloha, mibanjina ny ho avy

Tanàna voatemitra tanimbary, voahaingon-dobo sy farihy ary lalovan-drenirano sy lakandrano maro teto fahizay. Manaporofo izany ireo anaran-tany misy rano toy ny Ankorondrano, Andranomanalina, Andranomena, Andranobevava, Soarano sy ny maro hafa. Raha tsy rano dia zavatra, hazandrano na zava-maniry manodidina ny rano koa ny ankamaroan’ny anaran-toerana eto: Behoririka, Antohomadinika, Andavamamba, Anosy, Anosibe, Anosizato, Anosipatrana… Raha ny tanimbary indray no asian-dresaka dia 34000 hekitara teto amin’ny lemak’i Betsimitatatra.

“Fahiny tsy dia ela, talohan’ny ady lehibe faharoa, mbola azo nolakanina hono Ambodin’Isotry hatreny Anosy Avaratra”

Vanf – Express de Madagascar 14 Janoary 2020

Taty aoriana anefa dia nitombo ny mponina ka niainga ny fanotofana lavareny tsy ifidianan-toerana, toa tsy dinihina akory. Andrianampoinimerina, izay mpanjaka lehibe sy manam-pahaizana anefa dia nanafatrafatra mafy ny tsy hanotofana an’i Betsimitatatra. Izao no vokany!

Malaza amin’ny fahaiza-maka tahaka isika Malagasy saingy ny zava-mahasoa indrindra indray no adinontsika ny maka tahaka azy. Ny any Frantsa izao dia manana ny drafitra fisorohana ny tondradrano na Plan de Prévention des Risques d’Inondation (PPRI). Io drafitra io no mamaritra ireo toerana azo hanorenan-trano sy ireo tsy azo hanorenana noho ny tandindon-tondradrano. Any, tsy misy fanotofana etsy sy eroa izany. Efa voafaritra mazava ao anatin’io drafitra io ny velaran’ny fiparitahan’ny rano raha sendra tondraka ny renirano ka tsy azo hanorenana intsony. Eo amin’ireo toerana izay efa misy trano miorina talohan’ny famerana moa dia ezahina ny hiaro ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanadiovana sy fanalehibiazana ny lakandrano. Aiza ho aiza ny drafitra tahaka izany eto amintsika?

Hijanona ho nofy sa mbola ho azo tanterahina ve ilay Antananarivon’i Lisy Mianjoria, vohitra noforonin’i Mose Njo?

“Vary sy rano no ain-dehiben’ity tànanan’Antananarivo ity ka ny olona no Mamola-tena hiara-hiaina mirindra eo anivony fa tsy terena totofana tsy am-piheverana sy sesefana olona mihoatra lavitra izay dinika fanajariana tany am-boalohany…”

Mose Njo

Voniary


0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: