Mihamafy ny fiarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy i Inde. Notokanana omaly maraina ny lalana Mahatma Gandhi eny Mahamasina sy ny lalana Indira Gandhi eny Tsaralalana.
Fitokanana


Notokanana omaly ny lalana Mahatma Gandhi eny Mahamasina sy ny lalana Indira Gandhi eny Tsaralalana.Mariky ny fanamafisana ny fiarahamiasa eo amin’i Madagasikara sy i Inde izao fanavaozana takelaka izao.
Manambara ny Ben’ny Tanàn’Antananarivo Renivohitra, Lalao Ravalomanana, fa « ny fiarahamiasa amin’ny manaraka dia efa nodinihana fa hanampy izy momban’ny fambolena, hanampy izy amin’ny fiofanana, hanampy izy amin’ireo zavatra hangatahan’ny kaominina an-drenivohitra Antananarivo. Fanavaozana no natao. Mamerina ny tantaran’ny olomanga nisy tany amin’izy ireo nefa koa hita eto amintsika » ny fanavaozana ireo takelaka misy ny anaran’ireo olomanga Indianina ireo.
Fanamafisana ny fiarahamiasan’ny firenena roa tonta no anton’izao fanokanana lalana izao. Nilaza ny Masoivohon’i Inde miasa eto amintsika, Abhay Khumar, fa « izy ity dia fampifandraisana ny Firenena roa tonta izay efa ela satria efa 50 taona lasa no nisy ny anarana Mahatma Gandhi sy Indira Gandhi. Tsara tokoa ny manamafy sy manavao indray izay fifandraisana izay ».
Tsara ny manamarika fa mifandray amin’ny fankalazana ny faha 150 Mahatma Gandhi ity fitokanana ita. Izy moa dia teraka tamin’ny taona 1896.
Toria Dimbiniaina