Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Angovo – Nandray vahaolana vonjimaika ho an’ny delestazy ny Ministera

Book News 1

Last updated on mars 14, 2019


Tapatapaka ny jiro ny herinandro lasa teo teto Antananarivo. Manoloana izany, nandray vahaolana vonjimaika ny ministeran’ny Angovo.

Vahaolana vonjimaika ho an’ny delestazy

Manoloana ny fahatapan’ny jiro niseho teto amintsika ny herinandro lasa teo dia nisy ny vahaolana vonjimaika noraisin’ny ministera mpiahy.

« Nampitomboana ny solika nampiasain’ny Jirama », araka ny nambaran’ny ministry ny Angovo, Vonjy Andriamanga, nandritra ny fanokafana ny herinandron’ny angovo teny amin’ny Hotel Panorama Andrainarivo ny maraina teo ».

Ny tsy fahampian’ny tahirin’ny solika na ny « stockage » no antony nahatonga ny fahatapahan-jiro matetika farany teo », hoy ny ministry ny Angovo.

delestazy


Tsy hijanona amin’ny vahaolana vonjimaika ny ministera mpiahy. Hodinihina mandritra ity herinandron’ny angovo atao eny amin’ny Hotel Panorama ny 18-22 Febroary ity ny vahaolana maharitra ho an’ny angovo eto Madagasikara. Hisy araka izany ny fifampiresahana eo amin’ny mpisehatra angovo mandritra ity herinandron’ny angovo ity.

« Hisy vahaolana maharitra hivoaka kosa ny zoma famaranana ny hetsika », hoy hatrany ny ministra.

Marihina fa isan’ny tetikasan’ny ministeran’ny Angovo amin’ity taona ity ny famokarana toby herinaratra vaovao. Eo ihany koa ny fametrahana ny angovo azo havaozina mba hialana amin’ny fiovaovan’ny vidin’ny solika.

Toria Dimbiniaina

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée.