Hikarakara fihaonambe mahakasika ny angovo ny vondron’ireo mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GDPEM.

Fihaonambe

Hanatanteraka « colloque » na fihaonambe mahakasika ny angovo ny vondron’ireo mpandraharaha mivondrona ao amin’ny GDPEM (Groupement Des Professionnels de l’Energie à Madagascar) ny zoma 14 sy ny sabotsy 15 Septembra izao eny amin’ny 3A Andrefanambohijanaha­ry.

Fotoan-dehibe ahafahana mampahafantatra ny tontolon’ny angovo hoan’ireo sokajin’olona rehetra io “colloque” io.

Asaina amin’ny andro voalohany ireo tanora mpianatra sy ny mpampinatra. Tanjona ny hisian’ny mpianatra matihanina eo amin’ny sehatry ny angovo. Asaina ihany koa ny mpandraharaha amin’ny zoma io.

Tanjona koa ny hamondronana ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny angovo rehetra.
Ny sabotsy kosa dia hiantsoana ny tia Tanindrazana sy ny mpanao politika rehetra. Ity farany izay afaka manatanteraka amin’ny alalan’ny tetikasa hoentiny hitondrana firenena ny “politique de l’Energie”.

Nanamafy ny GDPEM fa azo atao ny manavotra an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny angovo.

Toria Dimbiniaina

0 Comments

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *

%d bloggers like this: