Last updated on mai 1, 2019
Nomarihina omaly ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa. Ny fiakaran’ny vidim-piainana no tena nasongadina nandritra ny hetsika izay natao teny Analakely.
Fiakaran’ny vidim-piainana
15 martsa 2019. « Fampahafantarana ny olona ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa ny andro androany », hoy Rabetsara Lita na Ralita, omaly teny Analakely.
Tamin’ity taona ity dia niniana tsy nasiana fihetsiketsehana na famoriam-bahoaka ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa fa fanehoana tamin’ny alalan’ny fitondrana loko mavo no natao, izay manamarika ny fiakarana sy ny ady samin’ny vidim-piainana isan’andro.
Ny fanjakana malagasy mbola tsy mankalaza ny andro maneran-tany ny zon’ny mpanjifa. Araka izany, tamin’ity fankalazana ny fahavalo taona ny andro maneran-tany ny zon’ny mpanjifa ity dia nanapa-kevitra ireo mpikambana ao amin’ny Réseau National de Défense des Consommateurs na RNDC fa hanao fampahafantarana izany andro maneran-tany ny zon’ny mpanjifa ho an’ny olon-drehetra.

Nomarihina tamin’ny alalan’ny fametrahana sora-baventy teny Analakely izany.
« Tamin’ny fahitalavitra no namantarako ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny zon’ny mpanjifa…Miakatra ny vidim-piainana. Ny fahasahirana samihafa no manery ny olona mbola hitady sy hamaly ny hetahetany hany ka mbola mety ho vitsy ny olona mety hanao izao fankalazana izao. Hanehoako izany hetsika izany anefa dia nanapa-kevitra aho ny niakanjo sy niravaka ny loko mavo ho firaisan-kina amin’ny hetsika toy izao », hoy Rakemba, mpanotrona ny hetsika.
Marihana hatranany fa ity fankalazana ity dia manerana ny nosy hoy kosa ity mpikambana ao amin’ny RNDC ity dia ary nanomboka tamin’ny taona 2012 no efa nankalaza izany ireo mivondrona ao amin’ny fikambanana manerana ny nosy. Ary efa in’efatra natao teto Antananarivo izany.
Faniriana
« Ny lalàna mifehy ny zon’ny mpanjifa dia efa nivoaka tamin’ny taona 2015 fa ny fampiharana izany no mbola mijanona no mbola manahirana hatreto », raha ny nambaran’i Ralita.
Namafisiny tamin’ anton’ny niadiana ity lalàna ity dia fiarovana ny mpanjifa raha manao zavatra iray, izany hoe mba hiarovana amin’ny fanagadrana na famonjana amin’ny antony tsy voafaritra mazava. Ka ho fiarovana izany no anton’ity loka mavo ity. Tsy voatery hoe hasongadina be ilay loko fa na kely indrindra aza dia efa fanehoana izany kosa, raha ny nambaran’i Ralita hatrany.
Henintsoa Hani