Last updated on septembre 5, 2017
Hankalazaina ny 1 Jolay izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Reggae. Maro ny hetsika ho tanterahina mandritra io fankalazana io toy ny fifanakalozana ara-kevitra, hetsika ara-kolotoraly sy zava-kanto. Homena lanja mandritra ny hetsika rehetra ho atao amin’io ny kolontsaina voizin’ny Rasta, izay tsy araka ny eritreretin’ny ankabeazan’ny olona. Misy ny mihevitra fa fidorohana zava-mahadomelina fotsiny no tena atao ao anatin’izany. Andraikitra ara-panahy sy eo amin’ny lafin’ny fiaraha-monina anefa no tena vohizina ao anatin’ny gadona Reggae. Entina hilazana ny hetaheta ao anaty sy avy ao am-po ihany koa ity gadona ity. Misy hafatra lehibe sy manan-danja araka izany ao anatin’ny gadona.Anisany mandray anjara amin’ity hetsika1 ity ny Maintso Nation, izay tarika mivoy ny gadona Reggae.