Last updated on juillet 15, 2019
Efa nisy Yoga tao Inde hatramin’ny taonjato faha telo talohan’I Jesosy Kristy. Tsy mitsahatra miroborobo ny Yoga ankehitriny.
Nomarihina ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Yoga
Notanterahina tao amin’ny tokontany malalaky ny Oniversiten’Antananarivo ny andro iraisam-pirenena ny Yoga ny zoma 21 Jona 2019 teo. Teratany Malagasy maro no tonga namaly ny antso, nandray anjara nandritra ity fotoana ity.

Araka ny efa nambaran’ny Masoivohon’i Inde eto Madagasikara, K. Abhay nandritra ny tafa ho an’ny mpanao gazety mialoha io fotoana io dia nanohana ity hetsika ity ny sekoly ny Yoga eto Antananarivo toa ireo Ivotoerana Yoga « Brahmakumaris », « Hatha Yoga », « Sahaja Yoga Madagascar ». Ireto farany izay naneho sy nampahafantantra ny fisiany sy nanokatra ny trano hevany avy.
Mandrindra ny fiainan’ny olona ny Yoga
Ankoatra ny maha fanatanjahantena azy dia mandrindra ny vatana sy ny saina ary ny fiainanana amin’ny alalan’ireo teknika isan-karazany ny Yoga. Miteraka firindrana eo amin’ny vatana sy ny saina, izay maneho ny maha olona ny olona araka izany ny Yoga. Ity farany izay ahafahan’ny olona mahatsapa tena sy mahafantatra ny ao anatiny. Tsy mifidy finoana na fandresen-daha tra eo anivon’ny fiarahamonina izy ity ary azon’ny olona rehetra atao.
Toria Dimbiniaina