Analavory

Analavory – Asa fanafihan-jiolahy, telo maty, efatra voasambotra

Jiolahy telo no maty voatifitra raha nifanenjika tamin’ny zandary  ny Alatsinainy hariva tao Analavory.

Tifitra

Analavory
Tratra teny amin’ireo jiolahy ireto fitaovam-panafihana ireto. cc : Sary nomena


Jiolahy miisa telo (3) voatifitra ary maty avy hatrany raha nifanenjika tamin’ny zandary  ny alatsinainy hariva tao Analavory, faritra Bongolava tokony ho tamin’ny dimy ora. Tratra nandritra izany ny basy miisa telo (3), ny roa (2) izay vita eo an-toerana ihany ary « revolver » kosa ny iray (1). Azo nandritra ity finafihana ity ihany koa ny « poignards » miisa dimy (5), mohara miisa (5) ary bala maromaro ihany koa. Araka ny loharanom-baovao dia nikasa hanafika an’Analavory ireto jiolahy ireto ka nandray fiara tao Ampizarantany, distrika Tsiroanomandidy ka voasakan’ny zandary izany.


Analavory
Mbola tanora avokoa ny ankamaroan’ireto jiolahy ireto. cc : Sary nomena


Fantatra fa miisa fito (7) ireto jiolahy ireto, ka ny efatra (4) tamin’izy ireo dia voasambo-belon‘ireo zandary raha voasakasana ny fiara fitateram-bahoaka nitondra azy ireo ary jiolahy avy ao Bemahatazana sy Amparihimanga ny ankamaroany ireto jiolahy ireto. Marihina moa fa lehilahy iray tamin’izy ireo dia zanaka mpivaro-kena ao Analavory taloha izay anisan’ny mpitarika ireto jiolahy ireto ka anisan’ireo sambobelona ity lehilahy ity. Raha ny fanazavana voarayihany koa dia nanao Short avokoa ireo jiolahy ary efa ao anaty ny sakaosin’izy ireo ny akanjo hisoloany sy ny patalohahanaovany rahefa mahavita ny asaratsiny izy ireo.

Henintsoa Hani

0 comments on “Analavory – Asa fanafihan-jiolahy, telo maty, efatra voasambotraAdd yours →

Leave a Reply

Your email address will not be published. Required fields are marked *