Appuyer sur "Entrée" pour passer au contenu

Tarika Ambondrona – Namorona ranomanitra vaovao

Book News 0

Last updated on juillet 28, 2021

Mivoatra hatrany ny tarika Ambondrona. Tsy amin’ny sehatry ny mozika ihany. Namorona ranomanitra izy ireo ka ny anarany dia nampitondrainy ny lohatenin’ireo hira tena nahafantarana azy ireo.

Version française disponible sur https://www.booknews.today/ambondrona-parfum/

English version avalaible on https://www.booknews.today/ambondrona-perfume/

Ireo ranomasina vaovaon’ny tarika Ambondrona

Book News Madagascar
Tontolo Faharoa, anisan’ireo ranomanitra navoakan’ny tarika. cc: Facebook

Nandritra ny fampisehoana nataon’ny tarika Ambondrona tao amin’ny “La City Ivandry” ny zoma lasa teo no nahafampafantarana ireo vokatra vaovao noentin’ny tarika. Manana ny lazany tokoa ny tarika Ambondrona raha eo amin’ny sehatry ny zava-kanto, tsy mitsahatra izy ireo manome fahafaham-po ho an’ireo mpakafy sy mpanaraka azy ireo hatramin’izay. Dia ny rakikira sy ny ranomanitra izay novokariny izany.

Misy anarany sy tantarany avokoa ireo ranomanitra novokarin’izy ireo satria natan’izy ireo mifanaraka amin’ny sangan’asany. Marihina fa 100% vita Malagasy ity vokatra ity,iharahana amin’ireo mpikaroka Malagasy. Amin’izao dia mbola varotra amin’ny serasera no misy azy fa fivoany ofisialy dia ny 10 desambra ho avy izao

Ny lohatenin-kira efatra voalohany dia natao ho an’ireo vehivavy dia ny “Fito andro”, “Tontolo faharoa”, “Tena fitia” ary “Eny na tsia”. Ny roa manaraka kosa dia natao ho an’ny lehilahy, dia ny “Antso” ary “Eo foana”.

Namoaka rakikira vaovao koa ny tarika , nampitondrainy ny lohateny “Ho soa hatrany” ka ahitana hira sivy ao anatiny.

Sandra R. & Tiasy

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

%d blogueurs aiment cette page :