Last updated on janvier 9, 2020
Notokanana teny amin’ny hopitalin’ny ankizy ny Alatsinainy 23 Desambra teo ny toeram-pilalaovana avy amin’ny Maintimolalin’ny ASA-CEDS.
Toeram-pilalaovana vaovao
Ao anatin’ny vanim-potoan’ny fety isika izao ka nosafidina manokana ny « Hôpital des enfants » na hopitalin’ny ankizy eny Ambohimiandra mba hampifaliana azy ireo.
Mafy tokoa ny mianjady azy ireo ka « zava-dehibe ny fisian’ity « aires des jeux » ity satria tena mitondra tsiky sy hafaliana ho an’ny zaza aty amin’ny hopitaly »,
hoy ny Dokotera Ravelomanana Lovaniaina, Talen’ny toeram-pitsaboana.
Nisy araka izany ny famefena ny toeram-pilalaovana sy ny fanomezana kilalao isan-karazany, ny fandokoana ny “aire des repos”, ny fandraisana an-tanana ny fikarakarana ny zaridainan’ny hopitaly.
Ny zaridainan’ny hopitaly fitsaboana zaza Ambohimiandra izay voalaza fa filamatra amin’ireo hopitaly rehetra eto an-drenivohitra.

cc : Toria Dimbiniaina
Ny fikambanan’ny Maintimolaly avy ao amin’ny ASA-CEDS (Association des anciens du Centre d’études diplomatiques et stratégiques) moa no nanolotra ity toeram-pilalaovana vaovao ity. Tanjon’ny fikambanana ny fanasoavana ny mpiarabelona.
« Ny CEDS dia Ivon-toerana nanofanana ireo mpiasam-panjakana sy ny tsy miankina ambony. Ny mpikambana ao amin’ny vondron’ireo niofana tao amin’ny CEDS dia mikatsaka mandrakariva ny ahasoa mpiarabelona »,
hoy Tiana Rajaona, Filohan’ny Maintimolalin’ny ASA-CEDS.
Fanombohana izao natao teto amin’ny hopitaly ny ankizy Ambohimiandra.


Raha ny momba ny hopitaly manokana dia afaka mandray zaza eo amin’ny 38 satria izay no isan’ny fandriana so amin’ny hopitaly fitsaboana zaza. Zaza voateraka ka hatramin’ny 18 taona no raisin’ny hopitaly. Azo raisina avokoa ny aretina rehetra tsy mandalo fandidiana.
Toria Dimbiniaina