Last updated on juin 21, 2019
Ny Fikambanana FITAFI Madagasikara no nahazo ny amboara ny fahaleovantena ho an’ny lalao baolina kitra vehivavy.
Amboaran’ny Fahaleovantena 2019
Tontosa ny alarobia faha 19 jona 2019 teny amin’ny Kianja mitafo Mahamasina ny lalao famaranana ny fiadiana ny amboara ny fahaleovantena 2019 nokarakarain’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena. Taorian’ny fifanitsanana nataon’ireo fikambanana maro dia ny Fitafi Madagasikara (Firaisankinan’ny Tanora Andrin’ny Firenena) sy ny Gazela no niatrika ny lalao famaranana ny Alarobia 19 Jona 2019. Lavon’ny Fitafi Madagasikara tamin’ny isa 2-1 ny Gazela. Ny Fikambanana FITAFI Madagasikara araka izany no voahosotra tompondaka ny lalao ny fahaleovantena 2019.
FITAFI Madagasikara
Ny Fitafi Madagasikara dia fikambanana tanora sy miasa ho an’ny tanora. Ny fampandraisana andraikitra ny tanora no tena himasoany. Tanjona ny hampivoatra ny Fiarahamonina sy ny Toekarena. Misy ireo tetikasa maro ataon’ny fikambanana mba ahatratrarana io tanjona lehibe io toa ny fanofanana ireo tanora manerana ny Nosy, fiarovana ny zon’olombelonana, fiarovana ny tontolo iainana, fanabeazana ny olompirenena tomponandraikitra. Ankoatra izay dia mampiroborobo ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina ary ny kilalao nentim-paharazana ihany koa ny Fitafi.

Mihoatra ny 500 ny isan’ny mpikambana manerana ny Faritra 13 eto Madagasikara amin’izao.
Tsy manao politika ny Fikambanana. Vonona hiarahiasa amin’izay manana tanjona amin’ny fampandraisana andraikitra ny tanora ho fanovana ny fiarahamonina kosa ny Fitafi Madagasikara.
Toria Dimbiniaina